Nofaranana tamin’ny alalan’ny atrikasa teny amin’ny Hotel Panorama ny famaranana ny tetikasa novatsian’ny AFD vola. Tetikasa natao hampiroboroboana ny fambolena izy ity. Ny GSDM izay manam-pahaizana amin’ny fampiroboroboana ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetry ny andro no nandray an-tanana ny tetikasa nandritra izay folo taona izay.
Ny voly rakotra na teknika hanamorana sy hanatsarana ny fambolena no tena niompanan’ity tetikasa ity. Fambolena zava-maniry mamerina aingana ny tsiron’ny tany ary tsy mila asaina intsony ny tanimboly no atao hoe : voly rakotra. Ohatra amin’izany ny « stylosanthes », « acacia mangium » izay fampiasa amin’ity fomba iray ity.
Ny faritra Vakinakaratra no nanombohana ny tetikasa ary nihitatra tany amin’ny faritra Andrefana – Antsinanana, Alaotra Mangoro,….. Tsy midika ho tapitra hatreo fampiasana ny voly rakotra na dia nifarana aza ny famatsiana. Efa nisy ny fampiofanana ireo tantsaha hiatrehana izany, hoy ny Filohan’ny Filakevi-pitantan ‘ ny GSDM, Jacqueline Rakotoarisoa.
Ankoatra izany, efa nampidirina ao amin’ny politikam-panjakana ity teknika-pambolena ity mba hitohizany hatrany. Marihina fa tantsaha miisa 30 no nahazo tombontsoa tamin’ity tetikasa ity.
Marihana fa niatomboka tamin’ ny taona 2004 ny tetikasa.
Interview : Jacqueline Rakotoarisoa
Nirina R.
VIDEO:
GSDM: Manampy ny tantsaha amin’ny fampiroboroboana ny fambolena. http://t.co/ROKUoLL6Ie
Soher Cota liked this on Facebook.
#Madagascar GSDM: Manampy ny tantsaha amin’ny fampiroboroboana ny fambolena. #Agriculture #Agroecologie http://t.co/iLoRsRYqJu
RT @Rivo_Njaka: #Madagascar GSDM: Manampy ny tantsaha amin’ny fampiroboroboana ny fambolena. #Agriculture #Agroecologie http://t.co/iLoRsRY…
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Aime Mamisoa liked this on Facebook.