GSDM – MEN: Hampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny voly rakotra.

0
425

Mikorontana tanteraka ny tetiandrom-pambolena, miha lany tsiro ny nofo tany  vokatry  ny fanimbanana ny tontolo iainana toy ny doro tanety, fanapahana ny ala… Fomba azo ampiharina amin’ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny nofo tany noho izany ny  voly rakotra na « agro-écologie ». Ankehitriny, hampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianarana ity fomba iray ity ka nisy ny fifanaovan-tsonia ho fifanaraham-piarahamiasa nataon’ny GSDM sy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana vokatry ny fambolena eto Madagasikara (PAPAM), vatsian’ny AFD vola izy ity .

Ho fampiofanana  ireo ankizy  dieny mbola kely ny asan’ny mpamboly no tanjon’ny fiarahamiasa. Ho laharam-pamehana  ihany koa ny fampahafantarana ny voka-dratsin’ny fanimbana ny tontolo iainana sy ny loza ateraky ny fiovaovan’ny toetra andro manoloana ny fambolena sy ny vahaolana iatrehana izany dia ny fampiasana ny  voly rakotra.

Enin-taona lasa izay, nomena laharana voalohany entina hampiroboroboana ny fambolena eto Madagasikara ny voly rakotra izay mifanaraka amin’ny toetra andro ankehitriny. Anisany zava-dehibe ihany koa ny fampidirana azy ao anatin’ny fandaharam-pianarana fa indrindra eny amin’ny ambaratonga fototra. Ao anatin’ny fanatsarana ny vokatry ny fambolena, ity ny taona 2017 no hanaovana andrana amin’izany. Sekolim-panjakana ambaratonga voalohany  sy tsy miankina miisa 06 no hisitraka voalohany ny tetikasa iantsorohan’ny GSDM.

Marihina fitaovana iray ahafahana mampiditra tanteraka ny taranja momban’ny voly rakotra ao anatin’ny fandaharam-pampianarana manerana ny nosy ity tetikasa ity.

 

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LEAVE A REPLY

Please enter your comment!
Please enter your name here