Feno folo taona ny « Fédération Nationale des clubs Lions et Léos de Madagascar » na FNCLM. Tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo niarahana tamin’ireo vondrona “Lions” sy “Léos” miisa 36 manerana ny Nosy no nanokafana ny fankalazana izany. Zana-kazo 4000 no nambolen’izy ireo ny sabotsy 20 Feboroary 2016 lasa teo, teny amin’ny Kaominin’ny Behenjy, Fokontany Kianja Nord izay tanim-panjakana nomena an’ny fikambanana hanatanterahana izany andraikitra izany. « Ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetra andro dia tsy nitsahatra namboly hazo ny federasiona. Fahavalo nanaovana izany ity androany ity », hoy Pâquerette RANAIVO, Filohan’ny FNCLM.
Araka ny fanazavany hatrany, nofintinina tamin’ny teny hoe: ”Voly m’Battre Show” ity hetsika ity satria vita ny adidy tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana, voakarakara ny fahasalamana satria nanao fanatanjahantena tamin’ny alalan’ny hazakazaka tamin’ny halaviran-dalana mirefy 3Km ny mpikambana rehetra. Teo ihany koa ny fifaninana nandihy izay nahazoana loka maro samihafa… Nozaraina loka ihany koa ireo club telo voalohany nahatonga mpikambana maro tamin’io hetsika io. Voalohany tamin’izany ny Club Analamanga,faharoa ny club Manjakamiadana, fahatelo ny club Faribona.
Marihina fa ny volana febroary 2006 no niforona ny federasiona. Miisa 900 ny mpikambana ao amin’ny Lions Club ary 300 kosa ny Leo Club. Ny taona 2008 izy ireo no nahazo io toerana hambolena hazo any Behenjy io. Nambaran-dRamatoa Paquerette RANAIVO fa 14.000 izay ny hazo voavoly nandritra izay fotoana izay.
Interview: Pâquerette RANAIVO
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Abdoulah Mall liked this on Facebook.