CECAM-HOMEOPHARMA: Mahavelona ny fambolena zava-maniry atao fanafody.

0
606

“Asa mahavelona ny fambolena”. Rehefa misy ny hoenti-manana hitrandrahana ny tany amin’ny alalan’ny fambolena,  ampy fiofanana amin’ny voly mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny  toetra andro  ny tantsaha ary malalaka ny lalam-barotra hamaratana ireo vokatra dia mahavelona tokoa ny fambolena.Ho fanantanterahana ireo singa telo lehibe ireo no antony hiarahan’ny orinasa CECAM sy ny HOMEOPHARMA miasa manomboka eto.

Seham-pihariana iray mbola malalaka tsara azo hivelomana sy hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra  fa indrindra ny tanora ny fanodinana ny zava-maniry na  “plantes médicinales” ho lasa fanafody, fanampin-tsakafo ary menaka  ho fitsaboana natoraly.Noho izany, vonona hanohana ara-bola ireo tantsaha amin’ity sehatra ity ny orinasa fampisamboram-bola madinika CECAM. Araka ny fanazavan’ny tale Jeneralin’ny CECAM, Serge RAJAONARISON, ny fampandrosoana tontolo ambanivohitra rahateo no tena antom-pisiany nandritra ny roapolo taona mahery.

Etsy ankilany, ny fampiofanana ireo tantsaha hiditra amin’ny sehatry ny fambolena zava-maniry “plantes aromatiques, medicinales, nutritionnelles” kosa no anjara biriky ho entin’ny homeopharma ao anatin’ny fifanaraham-piarahamiasan’ny roa tonta. Eo ihany koa ny fandraisana ireo vokatra sy ny famarotana izany.

Ankoatra izany, ho fanomezana asa ho an’ny tanora, hamatsy vola azy ireo ihany koa ny CECAM  amin’ny fivarotana ireo vokatra amin’ny alalan’ny tranombarotra H. “Sady mahazo asa ny tanora no afaka misitraka ny vokatra natoraly ny Homeopharama ny mponina manerana ny Nosy”, hoy i Jean Claude RATSIMIVONY,

Omaly no natao ny fifanaovan-tsonia  fifanaraham-piarahamiasan’ny CECAM sy ny HOMEOPHARMA.

Interview: Serge RAJAONARISON

Interview: Jean Claude RATSIMIVONY

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LEAVE A REPLY

Please enter your comment!
Please enter your name here