Notanterahina teny amin’ny Espace Dera Tsiadana ny fivoriana nataon’ny BNGRC niaraka tamin’ireo mpiara- miasa aminy, toy ny PNUD, PAM… Handrafetana ny “Plan de contingeance” na fametrahana paika ady nasionaly iatrehana ny voina voajanahary amin’ny taona ho avy no votoatin’ny atrikasa. Efa nanomboka ny taona 2007 ary mbola mitohy hatramin’izao ny fampiasana azy ity ka isan-taona dia havaozina manaraka ny zava-misy sy ny lesoka.
Hamaritana ny mety hiseho na vinavina eto amintsika amin’ny faran’ny taona 2015 na ny taona 2016 sy hitadiavana ny vahaolana no anton’ny fiaraha-miasa. Ankoatra izany, tafiditra tao anatin’ny fandaharana asa ihany koa ny fizarana ireo lesona azo notsoahina natao teo aloha. “Entina hanatsarana ny fomba fiasa amin’ny taona manaraka avy eo ireo lesona ireo”, hoy Thierry VENTY sekretera mpanatanteraky ny BNGRC ahafahana maka toky fa ho voafehy kokoa ny voina mety ho avy.
Nisy ihany koa ny atrikasa niarahana tamin’ny CPGU avy ao amin’ny primatiora, tao amin’ny foiben’ny BNGRC.
Teo ihany koa ny fanavaozana ny « strategie national de gestion de risque et de catastrophe », satria efa tapitra tamin’ny 2008 ny paikady teo aloha, hoy Lt kol RATSARAHEVITRA sekretera mpanatanteraky ny CPGU .
“Ny paikadintsika teo aloha, tsy miresaka ny genre na risque emergent mahakasika ny fiovaovan’ny toetra andro dia amin’ity atrika asa ity kosa no andrafetana izany”, hoy izy.
Interview : Thierry VENTY
Interview : Lt kol RATSARAHEVITRA
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
Ny Aina Randrianarijaona liked this on Facebook.
Abdoulah Mall liked this on Facebook.
Mialitina Rakotoarison liked this on Facebook.
Saholy Noro liked this on Facebook.
Lucie Lalaoharinirina liked this on Facebook.
Aline Netha Kwely liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.