ANDASIBE : Nanafotra ny tanana ny rano, 1024 ireo traboina.

0
427

Anisany nampitondra faisana ny tananan’Andasibe ato anaty ny distrikan’ny Moramanga ny rivodoza Enawo. Ankoatra ny rivomahery sy ny orana, niakatra izay tsy izy koa ny rano ary nanafotra ny ireo tanana. Amin’izao fotoana izao dia mahatratra 1024 ny isan’ireo traboina sy tsy manan-kialofana ao anaty tokantrano miisa 190. Isa vonjimaika ihany ireo fa ny any amin’ny fokontany manodidina mbola tsy azo. Tapaka tanteraka ny herin’aratra satria maro ireo hazo mianjera izay tsy mbola ahafahana miditra aty amin’ny kaominina Andasibe.

Miangavy ireo malala-tanana sy ny fitondram-panjakana ny mponina  mba hitondra fanampiana any an-toerana.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici