VONDROM-PANABEAZANA MASCA: Mamboly hazo ho an’ny taranaka

0
402
Spread the love

Fotoanan’ny fambolen-kazo izao. Ho fandraisana anjara amin’ny vinan’i Filoham-pirenena, ho rakotra ala i Madagasikara sy ho fampianarana ny mpianatra fa ho azy ireo sy ny taranaka faramandimby dia niara-nirona namboly hazo ny fianakaviam-ben’ny Groupe Masca Sabotsy namehana ny 28 febroary 2020, teny Antanetilava, kaominina Ampaneva, distrika Manjakandriana. « Miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa ny sekoly ka izay no antony ambolena izao hazo izao. Tsy ho an’ireo mpianatra ihany noho izany ireto azo ireto fa ho an’ny taranany», hoy ny tale jeneralin’ny HPI/UPA MASCA, Rakotoson André. Zanakazo miisa 1700, ahitana karazan-kazo toy ny acacia, jacaranda, kinin’oliva no nambolena tamin’ny tany mirefy 4ha 400 a. Amin’ny maha vondrom-panabeazana ny MASCA dia samy tonga teny an-toerana ireo mpianatry ny kolejy, lisea ary oniversite miampy ireo mpampianatra. 300 teo ny fitambaran’izy ireo araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny MASCA hatrany. Hisy ny fitsirihana ireo hazo nambolena ireo ka raha misy ny maty dia ho sosoana izany. Marihina fa tanin’ny sekoly io nambolena hazo io.

Lynda A.

Horonan-tsary

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici