TRANOBEN’NY TANTSAHA: “Ho sompitry ny sakafo i Madagasikara raha tsy atao anjorom-bala”.

16
290
Spread the love

Lazaina fa ny 80%-n’ny Malagasy dia tantsaha avokoa ary anisan’ny mampiodina ny toe-karena eto amintsika. Tsikaritra anefa fa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana indrindra no atao anjorom-bala. Na ireo teknisiana manampy ny tantsaha eny amin’ny tontolo ambanivohitra aza zara raha misy. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana noho izany ny eo anivon’ny  Tranoben’ny Tantsaha  mba hampitombo ny isan’ireo teknisiana ary atao isaky ny kaominina mihitsy fa tsy distrika fotsiny ihany. “ Efa mahavelom-panantenana  aloha ny fametrahana ny  Ministeran’ny Fambolena  eo ambany mason’ny Fiadidian’ny  Filohan’ny  Repoblika”, hoy  ny Filohan’ny Tranoben’ny Tantsaha, Mahatratra Solofo ANDRIANJAFY.

Nambarany anefa fa tsy tokony hitavozavoza amin’ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra raha te hanatratra ilay tanjona hoe: “Atao sompitry ny sakafo i Madagasikara”.

Araka  ny  fanazavan’i  Richard RAZAFINDRABARY , ny teknisiana no afaka hanampy ny mpamokatra  hanatsara ny teknikam-pamokarana.

Interview : Mahatratra Solofo ANDRIANJAFY (filohan’ny tranoben’ny tantsaha )

 

Interview : Georges  RATALATA( filoha lefitry ny tranoben’ny tantsaha )

 

Interview : Richard RAZAFINDRABARY ( teknisiana )

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

Interview : Mahatratra Solofo ANDRIANJAFY (filohan’ny tranoben’ny tantsaha )

Interview : Georges  RATALATA( filoha lefitry ny tranoben’ny tantsaha )

Interview : Richard RAZAFINDRABARY ( teknisiana )

16 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici