TETIKASA ALARM: Sokatra radiata sivy saika ahondrana antsokosoko.

0
259
Spread the love

Tao anatin’ny enin-taona no nirongatra ny fanondranana antsokosoko ny sokatra radiata sy angonoka. Niara-niakatra tamin’ny tahan’ny kolikoly izany. Vokatry ny tetikasa ALARM iantsorohan’ny fiarahamonimpirenena Alliance Voahary gasy (AVG), olona dimy ambin’ny folo no tratra ary efa nandalo fitsarana avokoa izy ireo. Tsy mbola foana anefa ny fanondranana ireo sokatra voalaza ireo na dia efa ampiharina aza ny lalana. “Sokatra sivy indray no tratra. Namidy tamin’ny vazaha iray izy ireto”, hoy Joely RAZAKARIVONY. Vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny mpitandro filaminana no nahatrarana ireo olona telo voarohirohy ireo.  “Mpitandro filaminana ny iray tamin’izy ireo”. Ny 25 novambra lasa teo no tratra izy ireo dia izao hiakatra fitsarana anio 31 janoary 2017 etsy Anosy.

Araka ny fanazavana, ry zareo thailandais no tena mandray ireo sokatra avy eto Madagasikara. Lafo dia lafo tokoa no handraisany ny entana ka izany no tena mampirongatra ny fanondranana antsokosoko ireto biby ireto. Ho an’ny sokatra angonoka  izao dia 2005 dolara na 7.017.500 Ariary  ny vidiny ny iray.

Tsy hijanona amin’ny resaka sokatra ihany ny tetikasa ALARM izay sahanin’ny AVG fa hitohy hatrany amin’ny fiarovana sy famongorana ny fanondranana tsy ara-dalana  an’ireo harena voajanahary rehetra eto amintsika. “Mitaky ny fampiharana ny lalana velona anefa izany”, hoy ny Filohan’ny AVG , Ndranto RAZAKAMANARINA .

Interview : Ndranto RAZAKAMANARINA

Interview : Joely RAZAKARIVONY

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici