Tambazotra LAMPONGNO: Mirongatra ny fanondranana antsokosoko ao amin’ny faritra MaMaBaie.

9
164

“Nikatona tamin’ny fomba tsy mazava ny faran’ny taona 2010 ny Sampandraharahan’ny Fadin-tseranana ao Maroantsetra”. Araka ny fanazavana azo, anisan’ny tranainy indrindra eto Madagasikara anefa izy ity izao navadika “Compagnie de la Gendarmerie” izao. Vokany, lasa baranahiny ny fivezivezen’ny sambo ao amin’ny seranan-tsambo manodidina ny MaMaBaie na Maroantsetra, Makira sy Baie d’Antongil). “Mirongatra izay tsy izy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena toy ny andramena satria tsy misy sampandraharaha manara-maso ny sambo mandalo any amin’ny faritra MaMaBaie”, hoy Clovis RAZAFIMALALA, Mpandrindra ny Tambazotra LAMPOGNO. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra mahefa, noho izany, ity Tambazotra ity hamerenana indray ny fadin-tseranana.

Miavaka amin’ny fananana harena voajanahary ny faritra MaMaBaie. Raha ny valan-java-boaharin’ny Masoala fotsiny izao, manan-karena karazam-biby miisa 102 ka ny 60% dia tsy misy afa-tsy eto amintsika. Ho an’ny Makira indray, varika 22 karazany, zava-maniry 300 karazany, 7 karazana biby mampinono, Madagasikara ihany no manana azy ireo. Miavaka ihany ny baie d’Antongil satria anisan’ny toerana fiterahan’ny trozona.

Faritra mahavokatra be tokoa Maroantsetra satria hita any avokoa ny voly fanondrana, toy ny kafe, jirofo,vanila. Manana ny maha izay azy ny faritra MaMaBaie noho ireo rehetra ireo ankoatra ny tsy voatanisa.

Nomarihany fa “Sambo mahazaka 150 taonina miisa 25 any ho any no manao asa fitaterana Toamasina-Maroantsetra, Mananara Avaratra ary mahavita indray mandeha isam-bolana farafahakeliny ny sambo iray, izany hoe 3000 taonina isam-bolana ny mandroso fotsiny”. Vokatry ny tsy fisian’ny fadin-tseranana anefa tsy misy fanaraha-maso azy ireo. Na dia tokony hampidi-bola ny fanjakana fa indrindra ireo faritra ireo aza dia tsy misy izany.

Efa nisy ny fitakiana ho famerenana ny sampandraharaha fadin-tseranana ao Maroantsetra nandritra ny fandalovan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina tany an-toerana. Mbola nohamafisina tamin’ny fivoriambe notarihan’ny tambazotra LAMPOGNO izany ny sabotsy 28 Novambra .

Interview : Clovis RAZAFIMALALA

 

Interview : MAROZAFY Armand

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

9 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici