Efa voavolavola ny vinan’ asan’ny tambazotra Tafo Mihaavo hatramin’ny taona 2020. Nampidirina tao anatin’izany ny fitantanana ny harena an-dranomasina izay mampitaraina ny fokonolona ny fitrandrahana ataon’ireo mpitrandraka vaventy.
Ankoatra ny fananganana vaomiera hisahana ny ranomasina, “noresahana nandritra fivoriamben’ny fikambanana ny volavolan-dalana mamaritra ny zo sy andraikitry ny fokonolona izay aroso eny anivon’ny parlemantera”, araka ny fanazavan’ny Filoha Lefitry ny tambazotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary, Tafo Mihaavo, Louis de Gonzague RAZAFIMANANDRAIBE.
Nivoitra tamin’ny fivorian’ny mpikambana, ny 19 ka hatramin’ny 22 jona 2017 lasa teo, ihany koa ny fametrahana ny dinam-pokonolona ho fitandroana ny fandriam-pahalemana.
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
VIDEO :