SOKATRA 72 TRATRA TANY COMORES: Tafaverina eto Madagasikara

0
730

Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny 26 desambra 2019 ireo sokatra Astrochelys radiata miisa 72 nisy nanondrana antsokosoko tany Comores. Araka ny loharanom-baovao dia ny polisy tao Comores no nahatratra azy ireo ny volana novambra 2019 ary nampilaza avy hatrany ny solontenan’ny CITES tao an-toerana. Noho ny fiarahamiasa eo amin’ny CITES Comores sy ny eto Madagasikara no nahafantarana io vaovao io. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia “88 ny isan’ireo sokatra tratra fa ny 20 tamin’izy ireo dia efa tsy salama”. Efa mandeha ny fanadihadiana ahafantarana ireo tompon’antoka tamin’ny fanondranana ireo sokatra ireo.
Tsiahivina fa ny volana jolay 2019 dia efa nisy sokatra 245 tratra tao amin’ny seranan-tsambon’i Comores. Olona telo no voasambotra, roa kômôriana ary gasy ny iray. Raha ny fanazavana voaray hatrany dia ny ONG TSA no mandray an-tanana ireo sokatra naondrana an-tsokosoko mialoha ny hamerenana azy amin’ny toerana niaviany. Eny Ambohidratrimo,Toliara sy Tsihombe no ahitana ny foibeny. Anisany tsindry mahazo ity karazan-tsokatra tsy hita afa-tsy any amin’ny faritra Atsimo ity ny fampiasana azy ho lasa sakafo.
Lynda A.

Horonan-tsary

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici