SCAA : Tsy mifidy toerana ny masom-boly vokariny.

0
510

Manomboka miakatra ny tahan’ny voka-bary  any Alaotra taorian’ny fanentanan’ny ministera. Miakatra 4 ka hatramin’ny 5 taona isaky ny hektara izany ankehitriny raha 2 ka hatramin’ny 3 taonina izany teo aloha. Mampiasa ny masom-boly vokarin’ny SCAA na  « Société Commerciale et Agricole d’Ambohimangakely » ny any alaotra,toy ny makolika ny tsemaka  hoy Joe RAKOTOVAO, tale jeneraliny. Misy kosa anefa ireo masom-boly  azon’ny faritra 22 ampiasaina tsara, toy ny X265 …Midika izany fa tsy mifidy toerana ny masom-boly vokarin’ny SCAA. Ankoatra izany, manome tantsoroka ho an’ny tantsaha ihany koa izy ireo amin’ny fanafody tokony ampiasaina. Mizara roa ny fiakaran’ny voka-bary, hoy hatrany izy. Misy ny lavitra ezaka 180 andro mahery raha ho an’ny Makolika ary ny fohy ezaka telo volana mahery  ny fe-potoana hiakaran’ny vary eny an-tsaha, toy ny X265 sy X1648.

Nomarihany fa nanomboka any alaotra ny fitsiriana ny nofo-tany mba ahafantarana ny masom-boly  tokony ampiasaina amin’ny tany iray. Mandray an-jara amin’ny FIER MADA etsy stade annexe Mahamasina ny SCAA.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO:

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici