SAMVA : 20 taona no nisiany teto Antananarivo.

12
81
Spread the love

Manatanteraka varavarana misokatra ho an’ny vahoaka ny SAMVA amin’izao fankalazana ny faha-20 taona nisiany teto Antananarivo izao. Miantso ny rehetra izy ireo mba hijery ny andraikitra raisiny amin’ny fandraofana ny fako. Nanomboka omaly izany ka hifarana ny Sabotsy ho avy izao.

Tanjona ho azy ireo amin’ ny 20 taona manaraka mikasika ny eny Andralanitra izay tsy azo anariana fako intsony, hoy ny tale jeneraliny, Serge RATSIMBAZAFY. Ahena faran’izay kely noho izany ny fako ka ankehitriny dia misy ny andrana atao anodinana ny fako. Fanirian’ny SAMVA ny ananany fitaovana, hoy izy. Tsapa tokoa fa taraiky isika amin’ny fanadiovana ny Tanana noho ny antony maro ka anisan’izany ny eo amin’ny ara-bola sy ny fitaovana ampiasaina amin’izany fandraofana fako izany, hoy hatrany izy. Tsy faly fotsiny amin’ny izao faha-20 taona izao fa fotoana iray izao afahan’ny mponin’ Antananarivo mijery ny fomba fiasan’izy ireo manodidina ny fahadiovan’ny Tanana. Ampianarina hanadio ny vahoaka, hoy ity tale jeneralin’ny SAMVA ity ka fotoana izao hanaovana izany.

Interview : Serge RATSIMBAZAFY

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

12 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici