PEPINIERE JOACHIN: Mivarotra ireo karazan-kazo efa ho lany tamingana

0
615

Famerenana amin’ny laony ny toetr’andro. Tao anatin’ny sivy volana no niketrehan-dRabenaivo Joachin ny tanin-janakazo eny amin’ny By Pass Mandikanamana. Ankehitriny, efa misokatra ho an’ny daholobe ny pépinière Joachin. Ankehitriny, efa misokatra ho an’ny daholobe, indrindra amin’izao fotoam-pambolen-kazo izao, ny pépinière Joachin. « Tsy nisy nanampy aho fa niezaka mafy tamin’ny fambolena ireo zanakazo ireo. Rehefa tonga tamin’ny fahaenimbolana dia nanontany tena aho: Iza no hitokana azy ity. Ny Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Rakotonirina Gérard no niriako ka dia nitady azy aho ary rehefa hitako izy dia tena nifankahazo izahay ary nanaiky ny fangatahako izy », hoy Rabenaivo Joachin nandritra fanokafana tamin’ny ofisialy ny tanin-janakazony ny 31 janoary 2020.

Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Anisany mampiavaka ny pépinière Joachin ny fananan’ireo hazo ala efa ho lany tamingana, toy ny hintsy, mandravasarotra, mandrorofy, arofy…Manana ireo zavamaniry na hazo hanaingoina ny zaridaina ihany koa izy. Nambarany fa mamerina amin’ny laony ny toetr’andro ny fambolen-kazo indrindra ireo hazo ala. Raha ny fanazavan’ity matihanina amin’ny fikarakarana zana-kazo ity dia efa niasa an-taonany maro teny anivon’ny sampandraharaha misahana ny rano sy ny ala ny tenany. « Niala aho ny taona 1993 dia niasa tena ary nilofo tamin’ny fambolena zana-kazo sy fanamboarana zaridaina », hoy ingahy paysagiste mitantara fohy ny lalan nodiaviny. Nilaza izy fa asa tanany ireo zaridaina eny amin’ny Lycée français Ambatobe, eny amin’ny banky iraisampirenena Anosy.

Toro-hevitra

Ao anatin’ny vanim-potoana fambolen-kazo isika izao. Nanazava anefa Rabenaivo Joachin fa lesoka amin’ny fambolen-kazo faobe ny tsy fahampiana fanarahamaso  aorian’ny fanatsatohana ireo zanakazo. Araka ny toro-hevitra nomeny dia mila arahi-maso farafahakeliny ireny zana-kazo ireny. Aleo hoy izy 500 tsara voly toy izao 10.000 nefa ho faty any an-tendrombohitra any. « Manan’aina anie ireny zanakazo ireny fa izy tsy miteny fotsiny ». Ho fanampin’izay dia nilaza i Andriamihaja, teknisiana momba ny fambolena zanakazo fa raha tiana ho vanona ny fambolen-kazo dia tsaratsara kokoa raha asaina iray manontolo ny tany fa tsy atao lavaka fotsiny. Amin’izay ara-dalàna ny fitombony. « Efa nanandrana izahay fa hazo dimy taona tokony mirefy dimy metatra ». Raha amin’ny fambolena voankazo na zavamaniry atao an-jaridaina indray dia tsy mety ny fampiasana zezika tain-kisoa. « Raha te haha vanona dia zezik’omby na zezipako ampiarahana amin’ny fasika sy tany mitovy fatra ampiasaina », hoy hatrany izy. Betsaka ny tsy miraharaha ka manao ambanin-javatra ny sehatr’asa fambolena zanakazo sy fanamboarana zaridaina kanefa dia asa mitaky herintsaina sy finiavana ary mampidi-bola be.

Lynda A.

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici