Zana-kazo arivo fototra no nambolena teny Ankatsaoka. Ny fikambanana AFFAMI na Andry Fanabeazana sy Fanarenana Mirindra eny amin’ny boriborintany fahaenina no nanatanteraka izany ny sabotsy faha-11 febroary 2017. “Vokatry ny fanapotehana ny ala toy ny doro tanety, ny tavy…dia simba ny tontolo iainana”, hoy ny Filohan’ny fikambanana, Vololona RAHERISOA.
Izany no nahatonga ny AFFAMI namboly hazo. Nambaran’ny Filohan’ny fikambanana no sady Solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborintany faha enina fa hetsika fanao isan-taona izao.
Manampy betsaka amin’ny fikojakojana ny tontolo iainana manoloana ny fiovaovan’ny toetra andro ihany koa ny fambolen-kazo. Nitondra ny anjara biriky tamin’izany ny fikambanana AFFAMI niaraka tamin’ny solontenan’ny fokontany 31 ao amin’ny firaisana fahaenina.
Efa mandeha ny tetikasa fampandrosoana eny amin’ny boriborintany fahaenina. Taorian’ny fandanian’ny solombavambahoaka 12 voafidy teto Antananarivo Renivohitra ny lalana momban’ny FLD na “Fond local de Développement” natokana ho an’ny tetikasa fampandrosoana ny kaominina, efa misitraka izany ireo fokontany 31 eny Ambohimanarina.
Interview: Vololona RAHERISOA
Interview: RABETOKOTANY Alphonse ( lehiben’ny fokontany 31 Ambohimanarina )
Nirina RAKOTOMIARINTSOA