OFFICE NATIONAL D’ ENVIRONNEMENT ( ONE ) : 25 isan-jaton’ ny tetikasa momban’ ny tontolo iainana fotsiny no mandalo fanadihadiana.

2
196

Feno 20 taona amin’ ity taona ity ny fampiharana ny didim-panjakana laharana 95 – 377 tamin’ ny 23 May 1995 mahakasika ny fampiasam-bola amin’ ny tontolo iainana.

Nitombo be ny tetikasa kanefa 25% amin’ ireo ihany no mandalo fanadihadiana ara-tontolo iainana, hoy ny tale jeneralin’ ny ONE na Office National d’ Environnement, RAKOTOARY Jean Chrysostome. Mifototra amin’ izany ny fankalazana ny faha 20 taona nampiharana io didy io. Noho izany dia miompana amin’ ny fandraisana andraikitra sy ny tontolo iainana ny lohahevitra amin’ izany.

Nohamafisiny ny fampandraisana andraikitra ny vondron’ olona ifotony hiantefan’ ny tetikasa ary tsy maintsy maka ny hevitry ny vahoaka ireo tompon’ ny tetikasa mialoha ny andraisan’ ny ONE ny fanapahan-kevitra. Tanjon’ izany ny mba hikajiana ny tontolo iainana hifandrindra amin’ ny pôlitikan’ ny fampandrosoana. Miompana amin’ ny fandraisana andraikitra sy ny tontolo iainana ny lohahevitra amin’ izany.

Mandritra ny fankalazana, hisy ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ ireo tompon’ andraikitra voakasik’ io didim-panjakana io, toy ny tompon’ andraikitry ny tetikasa, ireo mpamatsy vola, ireo ONG, ny fikambanana momban’ ny tontolo iainana…

Ankoatra izay dia hotanterahana mandritra ny fankalazana ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny io didy io sy ny fitantanana ny tontolo iainana.

Marihina fa ny 22 – 23 – 24 Oktobra 2015 eny amin’ ny lapan’ ny tanana Analakely no hanatanterahana an’ izany rehetra izany. Ny ONE sy Agence de communication Becom Editions et communication no mikarakara ny hetsika.

Interview : RAKOTOARY Jean Chrysostome

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici