Tsy eny amin’ny mpaninjara ihany no mihatra ny fiakaran’ny vidin’ny saribao fa efa hatrany am-potony mihitsy. Moramanga , anisany mpamokatra arina fandrehitra kanefa tafakatra hatrany amin’ny 15000 Ariary ny iray gony. Nanazava ny antony izany ny Solombavambahoaka voafidy tao fa vokatry ny rotsakorana nifanesy tamin’iny faritra iny no nahatonga io fiakarana io.
Etsy ankilany, rehefa vanim-potoana tahaka izao, lasa anton’asa faharoan’ny mponina ny famokarana saribao. Any amin’ny resaka vary indray no ifotoran’izy ireo. “Hany ka vitsy ny mpamokatra sy ny vokatra saribao. Ny lalana ny varotra rahateo mamaritra fa rehefa kely ny vokatra, betsaka anefa ny mpanjifa dia mazava ho azy fa miakatra ny vidin’io vokatra io”, hoy Henri Charles RANDRIAMAHEFA
Nambarany fa tsy ny fanondranana saribao no mahatonga io findanganan’ny vidiny io eto amintsika.
Interview : Henri Charles RANDRIAMAHEFA
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Cathy Harivelo liked this on Facebook.
Ny Njakasoa Fetraharilala liked this on Facebook.