MINISTERAN’NY JONO: Ho laharam-pamehana ny fiompiana trondro.

0
584

Taona famokarana zana-trondro ny taona 2017 ho an’ny ministeran’ny jono sy ny fiompiana anaty rano . “Zana-trondro eo amin’ny  iray tapitrisa isan’andro eo no  vinvinaina harotsaka any anaty rano izay ahazoana vokatra eo amin’ny 129 taonina eo”,hoy i Gilbert François , Ministry ny jono sy ny fiompiana  anaty rano.

 Atao laharam-pamehana ihany koa ny fiompiana anaty rano amin’ity taona ity. Ny karazan-trondro thon no vain-dohandraharaha  amin’izany. Nambarany fa ambony kokoa ny vidin’ity trondro ity raha amidy any ivelany. Raha 2000 ka hatramin’ny  5000 dolara  ny iray taonina, teo aloha dia hampitomboana avy roa heny izany amin’ity taona ity.

Noho izany, ny fitomboan’ny vokatra sy tsy halany tamingana ny hazandranomasina sy ny hazandranomamy eto Madagasikara ary ny fitadiavana tsena ho an’ny mpanjono  no tanjon’ny ministera voakasika amin’ity taona vaovao ity.

Toy ny mahazatra, rehefa taona vaovao tahaka  izao, samy manatanteraka lanonana fifampiarahabana ny ratsa-mangaika rehetra na miankina na tsia. Omaly no notontosaina  ny fety niarahan’ny mpiasan’ny ministeran’ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Tsy niala lavitra ny sehatra nisy azy ity farany tamin’ny resaka sakafo fa dia nahandro vita avy  amin’ny hazandranomasin’i Madagasikara avokoa no niarahan-komana. Ny “service traiteur” an’i Manda Sea food no nikarakara izany teny Manerinerina.

Nirina R.

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici