Madagasikara moderina sady miroborobo ny eny ambanivohitra amin’ ny sehatra ara-pambolena dia tarigetran’ ny fitondrana Malagasy. Nisy noho izany ny atrikasa teknika entina hakana fankatoavana eo amin’ ny sehatr’ asa fihariana ara-pambolena natao tetsy CNEAGRI Nanisana. Ny ministeran’ ny fambolena, fiompiana ary ny jono dia mametraka ho lasa moderina ireo fihariana ara-pambolena afaka misedra ny tsena anatiny na ivelany, hoy ANDRIANARITIANA Pierrot sekretera jeneralin’ ny MinAgri. Mitaky fahaiza manao anefa izany mba ho anton’ asa mahavelona ny amin’ io sehatra io. Noho izany, hoy izy dia avaozina daholo ny fomba fampianarana rehetra ho an’ izany seha-pihariana ara-pambolena izany ho famaritana io fandaharan’ asan’ ny tetikasa io.
Amin’ izay fotoana izay dia mitovy avokoa ny haavon’ ny fampianarana sy ny marim-pahaizany raisin’ ny mpianatra na aiza izy no miofana eto Madagasikara. Indrindra ihany koa ny fahafahany mampihatra avy hatrany ny fianarana azony « explotant agricole ».
Interview : ANDRIANARITIANA Pierrot
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
VIDEO :
Michaël Rodgers Buisson liked this on Facebook.
Fanantenana Copain Ranaivo liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Mireille Razaka liked this on Facebook.
Ny Aina liked this on Facebook.
Evanne Mahatolotra liked this on Facebook.
Mahery Andrianina Hery Lalaina liked this on Facebook.