MIN. FAMBOLENA SY NY GSDM : Notolorana marim-pahaizana ireo nofanina ho mpiofana amin’ ny sehatry ny fambolena, fiompiana ary fanjonoana.

9
196

Misy ny banga tokony ho fenoina ary mitongilana ho arenina amin’ ny fambolena, fiompina ary fanjonoana eto Madagasikara satria mamokatra ireo tantsaha nefa iva dia iva ny vokatra vokarin’ izy ireo. Izay indrindra no nahatonga ny fampiofanana ho mpiofana amin’ izany sehatra izany. Tanjona ny hamadihana ny fambolena, fiompina ary fanjonoana ho asa azo trandrahana. Mendrika sy rariny ireo tantsaha raha omena fiofanana mba hampitombo ny vokatra, hoy ny ministry ny fambolena Roland RAVATOMANAGA. Tsy hiandrasana ireo fahaizan’ ny teknisianina ambony na enjenera izay vao mahazo fahaizana mamokatra, hoy izy. Na izany aza anefa dia Ilaina izy ireny hitarika. Notolorana ny marim-pahaizana ity andian’ ny voalohany ity ny Alakamisy 17 Jona lasa teo tetsy amin’ ny toeram-piofanana CNEAGR Nanisana.

Nomarihany fa iarahan’ ny ministeran’ ny fiompina, ministeran’ ny fianaran’ asa, ministeran’ ny jono, ministeran’ ny tontolo iainana ary ministeran’ ny fampianarana ambony. Mpitarika fotsiny ihany ny ministeran’ ny fambolena, hoy izy. Manomboka izao dia eken’ ny fitondrana Malagasy ny marim-pahaizana avoakan’ ireo toeram-piofanana tsy miankina amin’ ny fanjakana.

Nirina R.

VIDEO :

 

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

9 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici