MADAGASCAR OIL: Antsasan’ny vidin’ny solika afarana ny ho saran’ny menaka mavesatra.

14
109
Spread the love

Hahazo tombontsoa ireo mpampiasa ny menaka mavesatra satria antsasan’ny vidin’ny solika afarana ny saran’ity farany.  Nomen’ny ONE (Office National pour l’Environnement) tamin’ny fomba ofisialy omaly ny taratasy fahazoan-dalana  ahafahan’ny orinasa MADAGASCAR OIL   hitrandraka io menaka io ao amin’ny Bloc 3104 Tsimororo. Nosoniavina tamin’io fotoana io ihany koa ny bokin’andraikitra mirakitra ireo asa takiana amin’ity orinasa ity izay mifandraika amin’ny fanajana ny tontolo iainana fa indrindra ny tombontsoan’ny vahoaka manodidina ny toerana iantefan’ny tetikasa.

Ho fanajana ny lalana, tsy maintsy mandalo fanadihadiana ara-tontolo iainana avokoa ny tetikasa fitrandrahana rehetra.  Ny 23 jona 2015 no nametraka io fangatahana io tao amin’ny sampandraharaha voakasika izany ny  orinasa ka izao fito volana taty aoriana izao vao nivaly. Araka ny fanazavana azo, tsy maintsy naka ny hevitry ny mponina  amin’ny faritra iasana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ONE mba isian’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpangataka. Nivoitra tamin’izany ny mahakasika ny  zava-boahary , ny fitantanana ny rano,ny akora tsy ilaina mandritra ny famokarana, kijana ary ny fanatsarana ny manodidina toy ny fanamboarana ny lalana RN1 sy ny  RN1 bis…

Noho izany,” voarakitra ao anatin’io bokin’andraikitra io fa manana  tombontsoa  amin’ny fitrandrahana ireo mponina manodidina ny Bloc 3104 Tsimororo”, hoy ny Tale Jeneralin’ny ONE,  Jean Chrysostome RAKOTOARY.

Ankoatra izany, “rehefa miakatra ny vokatra  dia ho laharam-pamehana ny milina mpamokatra herinaratra ao Mandroseza”, araka ny fanambaran’ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Oil, Stewart AHMED

Interview: Jean Chrysostome RAKOTOARY

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

14 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici