MADAGASCAR LEMURS PORTAL: Miantoka ny fiarovana ny varika, ny fampahafantarana ny lanjany.

0
244
Spread the love

Aorian’i Brésil, mitana ny laharana faharoa i Madagasikara amin’ny fananana karazana biby “primate”. Midika izany fa azo sokajiana ho biby mampiavaka ny firenena Malagasy ny fananana an’ireo 112 karazana varika ireo. Tandindomin-doza anefa izy ireo vokatry ny tsindry ataony “razanakonolombelona”. Tafiditra ao anatin’izany ny varika sy ny trano fonenany. Izany indrindra no nahatonga ireo mpiara-miombona antoka efatra, miasa amin’ny fiarovana ny zava-boahary  nivondrona ao anatina fikambanana iray.

Tao anatin’izany no nametrahana ny tetikasa “Madagascar Lemurs Portal” ho fiarovana ny varika eto Madagasikara. Mahatsapa ny  FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar), ny GERP (Groupe d’Etudes et de Recherche pour les Primates de Madagascar), ny WCS-Rebioma (Wildlife Conservation Society-Réseau de la Biodiversité de Madagascar)  ary ny IUCN (Primate Specialist Group) fa  ny  fampahafantarana ny mombamomba azy ireo sy ny lanjany no paika ady voalohany manampy amin’ny fiarovana ireo biby ireo. “Varavarana misokatra manampy amin’ny fiarovana ireo varika ny fahafantarana ny  lanjan’izy ireo”.

Marihina fa ny JRS Foundation no mpanohana ara-bola ny tetikasa.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici