Vokatry ny rotsakorana tsy ankijanona nateraky ny rivo-doza ENAWO tao anatin’ny roa andro, vaky ny fefiloha ao Malaza andehanan’ny reniranon’i Sisaony. Tokony ho tamin’ny 11 ora maraina teo no nisehoan’izany, araka ny fanazavan’ny Ben’ny Tanana an’Ampitatafika, Rado RAMPARAOELINA. Tondraky ny rano avokoa ireo tanimbary manakaiky ity fefiloha vaky ity. Miandry ny rano hihena vao misy afaka atao ka ny fanampiana tamin’ny alalan’izay voatsirambin’ny tanana an’ireo tompon-tanimboly no nataon’ny kaominina.
Ankoatra izany, efa nisy fandraisana an-tanana ireo traboina miisa 1200 ao amin’ny kaominina Ampitatafika noho ny fiakaran’ny rano. Trano iray kosa no nianjera. Ireo olona mipetraka amoron’ny rano ny ankamaroan’izy ireo. Nambaran’ny Ben’ny Tanana hatrany fa efa nozaraina sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo traboina ireo.
Tsy manana olana amin’ny trano noho izany ny kaominina amin’ny fandraisana ireo lasibatra fa ny fanampiana ara-materialy, sakafo no ilaina tolo-tanana.
Interview : Rado RAMPARAOELINA
Nirina RAKOTOMIARINTSOA