KAOMININA ALASORA: Afaka mandoro biriky fa tsy eny amin’ny toerana manelingelina ny fifamoivozana.

6
347

Anton’asan’ny mponina eny amin’ny kaominina Alasora ny famokarana biriky manomboka volana May ka hatramin’ny Septambra. Manomboka any amin’ny zaza mandinika, miasa mitaona biriky. Ho an’Ankadievo, nisavorovoro ireo mpampiasa vola, ny mpanao biriky ary ny mpikarama mitaom-biriky fa tsy afaka mandoro biriky eny amoron-dalana fa manohitohina ny fifamoivozana sy ny fifamezivezena.Nidina teny an-toerana mihitsy ny Ben’ny Tanana Alasora , Marc Ramiarinjatovo , nandamina ny raharaha.

Tapaka tamin’ny fifampindinihana fa misy fepetra ihany ny toerana ahafahana manao izany. Naneho ny heviny ireo mpiantsehatra taorian’izay fa afa-po amin’ny valin-tenin’ny Ben’ny Tanana izy ireo.

Nandresy lahatra ireo ray aman-dreny ihany koa ny Ben’ny Tanana fa tokony tsy hiasa hitaona biriky izany ireo zaza mandinika mba ho fiarovana ny zon’izy ireo, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra izao.

Interview : Marc Ramiarinjatovo ( ben’ny tanana Alasora )

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici