Mampiakatra ny vidiny vatosoa ny fananany karapanondro. Mitaky taratasy fanamarinana momba ny vatosoa rahateo ny tsena iraisam-pirenena. Ny ivon-toerana miankina amin’ny fanjakana IGM (Institut de Gémmologie de Madagascar) no mbola manana “laboratoire” ankatoavin’ny fenitra iraisam-pirenena. Nambaran’ny Tale Jeneraly, Andrinirina RASOLONJATOVO fa mahatoky kokoa ireo mpandraharaha mpividy vato avy ivelany rehefa “certificat d’indetification” omen’ny IGM ny manamarina ny mombamomba ny vato. Ao anatin’izany ny kalitaon’ny vatosoa amidy, ny anarany, ny lokony, ny toetoetrany…
Anisany hamaritana ny anaran’ny vatosoa ny fanaovana fitiliana. Fantatra amin’izany ihany koa na natoraly na efa nandalo fanamboarana ilay vatosoa. Amin’izao fotoana izao, betsaka ireo mpividy vato no voafitaka noho ny tsy fananan’ilay vato kara-panondro. “Lazain’ilay mpivarotra fa natoraly ny vato varotany kanefa mifanohitra amin’izany. Voafitaka ilay nividy ny vato satria rehefa hivarotra izany amin’ny mpandraharaha vahiny hafa izay mitaky fanamarinana avy any IGM dia fantatra fa tsy natoraly akory ilay”.
Manentana ny mpandraharaha Malagasy na mpivarotra na mpividy hanana fahazarana hitily ny vato mialohan’ny hivarotana azy na hividianana azy ny IGM. Nohazavain’ny Tale Jeneralin’ny IGM fa avy 1000 heny ny vidiny vato efa nandalo fanamboarana ny natoraly ka izany no mahatonga an’ireo mpandraharaha sasantsasany matahotra manao fitiliana ka fantatry ny mpividy fa tsy natoraly akory ny vato varotany.
Ankoatra ny fanomezana kara-panondro ho an’ny vatosoa, manampy ny mpandraharaha manara-dalana ny IGM. Betsaka ireo mpizahan-tany tonga ao aminy mitady mpandraharaha mivarotra vato. Rehefa misy izany dia miantso ireo mpandraharaha azo antoka izy.
Marihiina fa manofana mombamomba ny vatosoa sy ny famadihana azy ho firavaka ihany koa ny IGM.
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
VIDEO :