Famolavolana “feuille de route” ho fandrindrana ny harena an-kibon’ny tany sy ny “économie bleue” mba hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena Malagasy ny ventin-kevitra nivoaka tamin’ny atrik’asa niarahan’ny Ministera misahana ny harena an-kibon’ny sy ny solika sy ny “Commission Economique des Nations Unies pour l’Afrique” na ny CEA.
Nambaran’ny Ministra Ying Vah ZAFILAHY fa sehatra iray ahafahana mampiodina ny toe-karena eto Madagasikara ny harena an-kibon’ny tany. Ny famaritana politika mametraka io sehatra io ho laharam-pamehana no lalana hirosoan amin’izany mba samy higoka ny tombontsoa avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny vahoaka Malagasy.
Noresahana nandritra ny telo andro ny fanomezan-danja ny fiarovana ny tontolo iainana izay ahitana ireo singa enti-mampivoatra ny toe-karena . Ao anatin’izany ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany.
Nirina R.