Nahomby tokoa ny fomba fambolena natao teny amin’ny “vitrine” an’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Raha 3 taonina latsaka isaky ny iray “hectare” no vokatra katsaka azo avy amin’ny fambolena mahazatra dia niakatra 6 taonina izany tamin’ny fampiasana ny teknika fambolena maharitra na ny fampiasana teknika mifanaraka amin’ny toetr’andro. Efatra ka hatramin’ny dimy volana monja dia afaka mahavokatra katsaka. Tsy vitan’izany, fa afaka ampiarahana amin’ny voly hafa izany toy ny voanemba tahaka an’izay natao teny Iavoloha hatrany. Nambaran’ny Tale Mpanatanteraky ny GSDM, RAKOTONDRAMANANA fa ny fambolena zava-maniry mamerina ny tsiron’ny tany toy ny “mucuna”, “desmodium” no nampiakatra ny lanjan’ny vokatra katsaka sy ny voanemba . Sady mamboly izany no manatsara ny tany.
Fomba ialana tsikelikely amin’ny fampiasana ny akora simika ihany koa ity fomba fambolena maharitra ity. Tsy hanimbana ny nofon-tany no tanjona eto. Ankoatra ny zava-maniry famboly, hanatsarana ny tsiron’ny tany na voly rakotra (agro-écologie), anisany tantsoroka omen’ny GSDM ihany koa ny fampiasana ny zezika kankana (lombricompost) sy ny zava-maniry ampiarahana amin’ny zezika hamonoana ny bibikely.
Vovonana mampivondrona ny mpiantsehatra mampiasa ny “agro-écologie” ny GSDM. Ao anatin’izany ny FIFAMANOR. Voamanga avy any mozambika no novolena teo amin’ny sahan’ny lapan’Iavoloha. Miloko volomboasary ny nofon’ity voamanga ity ary mana-karena Vitamine A. Tamin’ny vanim-potoana main-tany, volana desambra 2016 no nambolena azy ary zezika tainomby ihany no nampiasana kanefa nahavokatra be. Araka ny fanazavan’ny Talen’ny FIFAMANOR, Ramatoa RAMALANJAONA Vololoniaina fa 30 ka hatramin’ny 40 taonina isaky “hectare” no vokatra azo teto.
Nomarihiny fa tsy mifidy tany ity karazam-boamanga ity. Ny zazakely sy ny reny bevohoka no tena tsara mihinana azy ity satria manan-karena vitamine A.
Nisy ny santa-bokatra natolotra ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA omaly 16 May 2017, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Resy lahatra ny tenany fa ho aparitaka manerana ny Nosy ity fomba fambolena ity satria fomba iray hamokarana bebe kokoa sy iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nanampy ny teniny Filoha ny mpanolontsainany, Huges RATSIFERANA fa saha sekoly ho an’ireo liana te hamboly amin’ny fomba maharitra ny natao teny Iavoloha. Ho fanampiana azy ireo, vonona handray azy ireo ny AMDP ( Agence Malagasy de Développement Économique et Promotion d’Entreprises) amin’ny toro-hevitra rehetra na resaka teknika izany na ny tany ambolena.
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
VIDEO :
RAMALANJAONA Vololoniaina
Hery RAJAONARIMAMPIANINA