GSDM: Mitombo ny famatsiana “mucuna” ho an’ireo tantsaha ao Vakinankaratra

0
829
Spread the love

Mampihena ny fandaniana kanefa mampiakatra ny tahan’ny vokatra. Fitambarana teknikam-pambolena manampy ny tantsaha amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ho fiarovana ny tontolo iainana ny “agro-écologie”. Santionany amin’io fomba fambolena maharitra io ny voly rakotra ary anisany mahasarika ireo tantsaha any amin’ny faritra Vakinankaratra, toerana hiasan’ny tetikasa Manitatra II izay tantanin’ny GSDM (fivondronan’ireo mpisehatra matihanina amin’ny agro-écologie). Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tetikasa, Herinionja Toky taorian’ny famaranana ny andro natokana ho an’ny “agro-écologie” ny 20 martsa 2020 tao an-tampon-tanàn’Antsirabe fa fepetra telo no takiana amin’ny voly rakotra: tsy kitihina loatra ny tany fa ezahina rakofana, manao fifandimbiasam-boly sy fifampivadiam-boly ahafahana mahazo ilay rakotra, rehefa tena mampihatra azy io dia ny iray amin’ny taona roa tokony misy rakotra. “Ohatra raha katsaka sy rakotra no ataonao amin’ity taona ity dia mahazo rakotra hambolena vary amin’ny fotoam-pambolena manaraka. Ny vary anefa tsy misy rakotra dia dikan’izay ny manaraka mila mamboly rakotra indray ianao”, hoy izy.

Mihena 50 %

Hatramin’izay nidiran’ny tetikasa Manitatra tao Vakinankaratra izay dia tsy nitsaha-nitombo ny filan’ny tantsaha ireo masom-bolin’ireo zava-maniry fatao rakotra toy ny “mucuna”, cajanus (ambatry na amberivatry), thephrosia sy ny maro hafa. Ho an’ny “mucuna” manokana dia efa maro ireo tantsaha ao Vakinankaratra no mila azy ity noho ny fahitan’izy ireo ny vokatsoa azon’ireo tantsaha mpiara-monina aminy nahazo fiofanana momba ny “agro-écologie”.  Raha ny fanazavan’i Herinionja Toky dia “hatreto mbola tsy azo hohanin’ny olombelona ny mucuna fa afaka atao sakafom-biby satria ambony be ny matière grasse ao aminy. Anisany mandraoka bibikely no légumineuse ihany koa izy ity. Tsara dia tsara ny voka-bary manaraka satria efa nahazo izay fanatsarana ny tany izay ary tratran’ilay rakotra dia mihena dia mihena ny resaka fiavahana”, hoy izy nanazava ny tombony amin’ny fampiasana ny “mucuna”. Nohamafisin’i Lalaina, tantsaha (paysan leader) iray ao amin’ny kaominina Ambohimandroso, nahazo fiofanana momba ny teknikam-pambolena maharitra fa “tena mampihena ny fandaniana ny fampiasana ny agro-écologie raha tsy hilaza afa-tsy ny voly rakotra.  Sady tsy miasa ny tany intsony, mihena ny fiavahana, ilay mucuna mitondra azote ho an’ny fambolena vary an-tanety ho an’ny taona manaraka, tena mihena ny asa sy ny fandaniana. Raha ho ahy manokana, mihena 50% ny fandaniana, miha maivana ny asam-pambolena rehefa mampiasa ny teknika agro-écologie ary rehefa mihamasaka ny tany dia mitombo ny vokatra”.

Ahitana ny masomboly

Raha ny eto Madagasikara dia efa maro ireo mpisehatra amin’ny fivarotana masom-boly no mivarotra mucuna. Raha any any Androy dia ao amin’ny CTAS. Ho an’ny GSDM izao dia any amin’ireo tantsaha mandeha irery ao amin’ny Faritra Itasy (Miarinarivo) no mividy masom-boly mucuna. “Efa mucuna maromaro ihany koa no tafiditry ny tetikasa teto Vakinankaratra satria anisany mamoa voa be izy io. Manantena izahay fa efa betsaka ny filàna mucuna no hita eto Vakinankaratra amin’ireo tantsaha miara-miasa amin’ny tetikasa”, hoy ny lehiben’ny tetikasa Manitatra II. Traikefa avy any Brésil ny voly rakotra. “Ry zareo brésilien rehefa mikitika tany be dia lasan’ny rano daholo ny tany satria mitovy ny eto amintsika, be orana”, araka ny fanazavan’ny teknisiana Herinionja Toky.  Nampidirina teto amintsika io teknika io dia nandramana ary nety, nahitan’ireo tantsaha tombontsoa. Fanampin’izany dia zava-maniry nafarana avy any ivelany ny mucuna. Mety amin’ny tany rehetra ity kazarana rakotra iray ity saingy misy ihany ny tany tsy ety aminy toy tany miandron-drano loatra.

Lynda A.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici