GSDM: Miezaka mampihatra ireo voka-pikarohany

0
282
Spread the love

Ny GSDM na ny  « Professinnels de l’agroécologie » dia vovonana mikarakara ny famelomana ny tany, agroécologie eto Madagasikara. Maro ny voka-pikarohan’izy ireo izay heverina fa hitondra fampandrosoana. Mampifandray ireo fikambanana hafa ihany koa, 10 taona nijoroana izy amin’izao fotoana izao, «Semies Diriect de Madagascar no anarany teo aloha. Nanatanteraka atrik’asa nandritra ny hateloana tetsy amin’ny hôtel Panorama izy ireo ny 03 ka hatramin’ny 06 Novambra teo. Nisy ny fifanakalozana ny voka-pikarohana tamin’ireo firenena avy any ivelany, ny A.F.A “Agroécology for Africa” aty amin’ny faritr’i Afrika. Tamin’ny andro farany dia nidina ifotony tany amin’ny SAF/FJKM Isoavina Ambanitsena sy tany Analavory ireo mpiantsehatra rehetra ka nizara roa. Ny fijerena ireo biby anaty tany hitondra aina vao hamokatra araka ny tokony ho izy no tanjona hoy Atoa RAHERISON Tahiana teknisina ao amin’ny GSDM. Ahitana ireo mpianatra avy eo anivon’ny AGRO eny Ankatso ity atrik’asa ity. Raha ny fisian’ireny atrik’asa ireny no tena nampiharina araka ny tokony ho izy, dia efa ela no lasa lavitra i Madagasikara kanefa, tafiditra ao anatin’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany isika. Tsy nisy akony na fiantraikany ho an’ny vahoaka anefa izany fa miha-mahantra hatrany izy ireo. Vitsy ireo teknisiana nahavita ny fianarany momba io tontolo ambanivohitra io, fa tsy sahy mitakosona manampy ny tantsaha. Toa lany andro foana isika raha hanao ireny atrik’asa ireny ary hijanona ambony latabatra fotsiny izany raha tsy misy ny finiavana tena hidina ifotony.

Marihana fa ny IRD, ny LRI, ny SIRAD ary ny FOFIFA no nikarakara io atrik’asa io.

INTERVIEW: RAHARISON Tahiana

Nirina R.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici