GEXPROMER: Sompitra matanjaka hitoeran’ny hazandrano fanondrana ny Faritr’i Menabe.

0
364

Tao anatin’ny 14 taona nijoroan’ny GEXPROMER, fikambanan’ny mpandraharaha manondrana ny voka-dranomasina avy eto Madagasikara mankany ivelany, sambany ny fikambanana no nahazo famatsiam-bola avy any amin’ny vondrona eropeanina. Tamin’ny alalan’ny  tetikasa SANTATRA iandraketan’ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana no nahafahan’ireo mpanjono, niara-niasa tamin’ny  GEXPROMER  hatramin’izay, nisitraka lakana miisa enina, mandeha motera sy akanjo salotra aina dimam-polo. “Ho fampitomboana ny vokatra sy  fanatsarana ny fitaovana ho enti-miasa no tanjon’ny tetikasa”, hoy ny solontenan’ny tetikasa SANTATRA, Robert BEZANDRY.

Etsy ankilany, nambaran’ny Filohan’ny fikambanana GEXPROMER, Bakoly RAHERIMANANA fa nosafidiana manokana ny toeram-panangonam-bokatra roa ao anatin’ny faritra menabe, noho izy manana sompitra matanjaka hitoeran’ireo hazandrano fanondrana raha tsy hiteny afa-tsy ny drakaka (Scylla serrata) sy ny gambas (Rosenberguii) izay ifanotofan’ny mpanangom-bokatra ao amin’ny faritra fanangonam-bokatra an’ny Belo. “Torak’izany koa no nisafidiananay ny faritra Diana izay ahitana ny “zone de collecte” Ambilobe noho ny fananany ny sompitra Makamba (Penaeus indicus), ny Makamba vaventy (Penaeus monodon) ary ny drakaka.

Notolorana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma faha-17  febroary 2017 ny lakana telo ho an’ny Morondava sy Belo sur Tsiribihina. Nanotrona ny lanonana ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Armand TAZAFY, ny solontenan’ny Ministeran’ny harena anaty rano sy ny jono. Tsy adino ihany koa ireo manam-pahefana avy ao an-toerana toy ny Ben’ny Tanan’i Morondava ambonivohitra, ny Lehiben’ny Faritra Menabe…

Marihina fa amin’ny herinandro ho avy izao ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny anjaran’Ambilobe.

Fanadiadihana :

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici