GEXPROMER: Hitombo ny voka-dranomasina fanondrana noho ireo lakana ireo.

0
279
Spread the love

Mitaky kalitao manara-penitra ny fanondranana ireo hazandranomasina mankany ivelany. Ho fanarahana izany fenitra izany, nahazo fampiofanana maimaim-poana ireo mpanjono sy mpanangom-bokatra avy any amin’ny faritr’i Diana. Dimy ambiny roapolo teo izy ireo no notsongaina nanatrika ny fiofanana tany  Ambilobe. Anisany nanatrika ny fiofanana ihany koa ireo mpanjono nahazo ny lakana avy any amin’ny GEXPROMER. Tamin’ny alalan’ny tetikasa SANTATRA eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny varotra no nahafahan’ity vondron’ny mpandraharaha nanolotra lakana mandeha motera  miisa telo ho an’ireo mpanjono avy any Ambilobe sy Antsohihy ity. Ny vondrona eropeanina no namatsy vola tamin’izany.

 Tahaka ny natao tany Morondava, ny zoma 24 febroary 2017 no natolotra tamin’ny fomba ofisialy tany Ambilobe ireo lakana  ireo,  miaraka miaraka amin’ny akanjo salotra aina dimy ambiny roapolo.

Miankina amin’ny vokatra azo ny fitohizan’ny tetikasa, araka ny fanazavan’ny Tale Kabinetran’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana, Patrick RAVOARAHARISON. Nanamafy kosa anefa ny Filoha Lefitry ny GEXPROMER, Alain CHAN fa ho arahi-maso akaiky ireo mpahazo tombontsoa ary nampanantena fa hitombo ny voka-dranomasina fanondrana ary hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany.

Fanadiadihana :

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici