GASTRONOMIE PIZZA : Mitohy ny fiarovana ny tontolo iainana.

28
130
Spread the love

Nanatanteraka fambolen-kazo teny amin’ny « régiment d’Artillerie lourde » Imerintsiatosika omaly ny fianakaviam-ben’ny LA GASTRONOMIE PIZZA. Telo taona amin’ity taona ity no nambolen’izy ireo ny zana-kazo tamin’iny toerana iny ka 90% maherin’izany no vanona avokoa. Niampy zana-kazo miisa 2000 kosa izany tamin’ity taona 2016 ity miampy ny fanoloana ireo tsy naniry izay miisa 100 eo ho eo. Sady namboly no nikarakara ireo efa maniry izy ireo. Velaran-tany 2,5 Ha kosa no misy ireo zana-kazo novolena, hoy ny tale jeneraly, landry RAKOTONDRAINIBE. Nomarihany fa miisa 4000 ireo zana-kazo efa voavoly teo aloha. Fikajiana ny tontolo iainana no nanosika ny GASTRONOMIE PIZZA anao izao hetsika izao, hoy izy. Amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ihany koa no afahana miady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, hoy hatrany izy.

Ho an’ny mpanjifa ny vokatra vokariny, mandritra ny andron’ny mpifankatia ny andron’ny Alahady ka mividy ny « pizza des amoureux » dia mahazo coca cola iray, hoy ity tale lefitra ao amin’ny Gastronomie pizza ity. Nomarihany fa misokatra avokoa ireo toeram-pivarotana rehetra manerana ny nosy amin’io andro io ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifany.

Ankoatra izay, hisokatra ny zoma 12 Febroary izao ny toeram-pivarotana goavana ao Toamasina.

Interview : landry RAKOTONDRAINIBE

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

 

28 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici