FOFIFA: Ny fomba fambolena maharitra mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetra andro.

0
1082
Spread the love

Voka-pikarohana ampiharina amin’ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetra andro no ampisehoana eny amin’ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (FOFIFA). Nanomboka omaly ny fampisehoana izany ary hifarana androany.  Fambolena mifanaraka fiovaovan’ny toetra andro  mba hamokarana bebe kokoa no antony hanapariahana  ny “Agriculture climato-intelligente”.

Fomba famokarana mahomby  ny fampiasana ny  voka-pikarohana haranty eny Ampandrianomby.  Noho ny fikarohana natao, azo atao tsara ny mamboly voly vary, katsaka, vomanga, tsaramaso amin’ny fotoana tsy fahampian’ny rotsakorana. “Fomba fambolena maharitra tsy manimba tontolo iainana ny “Agriculture climato-intelligente”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, Pierrot Serge RANDRIANARITIANA

Ankoatra ny fanofanana ireo tantsaha amin’ny fampiasana ireo masom-boly mahazaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetra andro, fiahiana ny fanjarian-tsakafo ihany koa ny fanamparitahana ireo voka-pikarohana ireo manerana an’i Madagasikara.

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici