FIOVAN’NY TOETR’ANDRO : Tsy rototra ny Malagasy

0
143

« Efa loza mihatra amin’izao tontolo izao ity fiovan’ny toetr’andro ity. Tsy rototra mba tsy ilazana fa tsy miraharaha an’izany kosa ny ankamaroan’ny  Malagasy. Ny tantsaha mivelona eny ambanivohitra no tena voa mafy satria miankina amin’ny toetry ny andro ny fambolena sy fiompiana ataony. Ny fanjakana etsy an-daniny tsy maha voafehy ny olan’ny  doro tanety sy ny doro ala. »

Resahana sy ezahan’ny haino vaky jery  iraisam-pirenena sy ny eto Madagasikara isan’andro ny fiovan’ny toetr’andro. Voakasik’izany avokoa ny firenena rehetra eto ambon’ity planeta tany ity. Antony maro no mahatonga ny fahapotehan’ny tontolo iainana ka mahatonga izao fiovan’ny toetr’andro izao. Ny any amin’ny firenena mandroso dia ny fisian’ireo  indostria maro sy ny fisian’ny fiarakodia mamoaka ny etona mangeja  hafanana na ny « gaz à effet de serre »(GES) kanefa tsy ampy na tsy manana ala hisintonana izany etona izany izy ireo. Raha ny eto Madagasikara kosa dia ny fandorana ireo tanety sy doro ala ary ny fitrandrahana be loatra ireo ala no tena mibahana amin’ny fanimbana ny tontolo iainana. Noho ny fananantsika ireo ala mikitroka sy ala voajanahary arovana ireo ary fisian’ny  ny toerana mbola midadasika ka mbola azo ambolena ala anefa dia manana tombony isika amin’ny fitrohana ireo etona mangeja  hafanana ireo. Tsy ratsy io etona io rehefa ara-dalàna ny fisiany satria ilaina amin’ny fiainan’ny zava-manan’aina. Azo lazaina fa kely ny fitombon’ny GES raha ny navoakan’ny « La troisième Communication National » ( TCN Madagascar )  teo anelanelan’ny taona 2005 ka hatramin’ny taona 2010 satria 2,2 isanjato monja . Ny taona 2005 dia 148389 Gg Eq.CO2 ary  151672 Gg Eq.CO2 ny taona 2010. Ny GES avy amin’ny indostria no kely indrindra ary amin’ny sehatry ny fampiasana ny tany sy fampiasana ny ala « l’utilisation des terres, ses changements et la foresterie (UTCF) no betsaka indrindra ny GES teo anelanelan’ireo taona ireo.

Tsy mahavelona  ny  vokatry ny fambolena

Araka ny antontan’isa navoakan’ny INSTAT dia 81% ireo tantsaha na ireo Malagasy mivelona eny ambanivohitra. Mahatsapa ireo tantsaha ireo fa mihena ny vokatra azon’izy ireo amin’ny fambolena ataony raha mihoatra ny tamin’ny 10 taona lasa. Lasa ampahatelon’ny vokatra izany ankehitriny. Anton’izany ny tsy firindran’ny toetry ny andro, toy ny  fiovan’ny vanim-potoana firotsahan’ny orana na tara na lasa aloha. Ankoatra izay ny habetsany izay miovaova ihany koa rehefa mirotsaka, na be loatra na kely. Eo ihany koa ny fisian’ny rivo-doza miha-mahery vaika ankehitriny izay mahatonga ny tondra-drano ka manimba ny voly. « Tsy mahavelona intsony ny fambolena ka tsy maintsy mitady zavatra hafa fanampiny  izahay. Ny fitrandrahana ny ala sy izay ao anatiny no vahaolana hitanay mba hanampiana ny fidiram-bola », hoy ireo tantsaha vitsivitsy nanontaniana. Anisan’izany ny fanaovana saribao. Miezaka ihany ny fikambanana iraisam-pirenena mitady vahaolana amin’ny fanampiana ireo tantsaha amin’ny tetikasa ho fiarovana ny tontolo iainana kanefa tsy maha henika ireo tantsaha maro an’isa izany. Ohatra amin’izany ny fambolena hazo mba ataon’izy ireo fanampin’ ny fidiram-bolany sady hahatonga ireo tantsaha ireo tsy hanapaka ny ala ao anatin’ny faritra arovana…

Tsy ampy ve ny fanentanana ?

Asa na tsy miraharaha na tsy ampy ny fanentanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny malagasy. Ny tsapa aloha hatreto dia mbola olom-bitsy no misitraka ireny tetikasa vatsian’ny iraisam-pirenena vola momba ny fiarovana ny tontolo iainana ireny. Rehefa mbola mandeha ny tetikasa dia velom-bolo ireo mpisitraka amin’izy ireny. Manam-petra ihany anefa ny tetikasa  ka rehefa tapitra dia ohatry ny tsy nisy ny zavatra natao. Ny fanjakana etsy an-daniny tsy mahalala hafa tsy ny fambolen-kazo ihany no vahaolana hitany kanefa misy zavatra hafa tokony azony atao. Ohatra amin’izany ny fanentanana ny olom-pirenena tsy hanototra ireny tany fambolena isan-karazany ireny, toy ny tanim-bary… satria araka ny filazan’ny manampahaizana dia misy fiantraikany amin’ny firindran’ny toetry ny andro ary mitarika fiovan’ny toetr’andro ny fanotofana azy ireny. Tokony ho dinihin’ny rehetra indrindra ny fanjakana  ny tsy hanotofana ireo tanim-boly  sisa tavela ireo izay matetika indostria mamoaka GES no apetraka eo rehefa tototra. Eo ihany koa ny tsy fanatanterahana ireo  fifanarahana nataon’ny firenena malagasy momba ny tontolo iainana maro isan-karazany, toy ny «Convention-Cadre des Nations Unies sur le Changement climatique»(CCNUCC), «accord de Paris», « protocole de Kyoto »… Izy ireny raha ny fantatra dia mety hampiditra vola tsy averina ho an’ny firenena raha tsy hiteny hafa tsy ny fivarotana ny fisintonana ny GES. Mety anton’izany koa angamba ny tsy fahalalan’ny mpanapa-kevitra isan-tokony ireny fifanarahana ireny ka mahatonga ny fikatsoana.

Tsy voafehy ireo mpanimba

Anisan’ny mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro ny doro tanety sy ny doro ala ary ny fanapahana ireo hazo ao amin’ny ala arovana. Midadasika i Madagasikara hany ka tsy voafehin’ny fanjakana izany fandorana isan-karazany izany. Na ny fiarovana ireo ala voajanahary arovana aza manahirana noho izy ireny midadasika. Antony maro no mahatonga ny olona mandoro sy manapaka azy ireny. Raha ny ala arovana ohatra dia noho izy toerana mety misy harena an-kibon’ny tany ary toerana mamokatra ihany koa satria mando lava. Mora amin’ ireo olona ny mamboly amin’izy ireny rehefa tsy eo intsony ny ala. Eo ihany koa ny tsy fifehezan’ny fanjakana ny fifindra-monina ato anatiny. Izy ireny anefa tsy maintsy mivelona ka ny fambolena ihany no tena ataony ka matetika mipetraka  manodidina ny ala mikitroka na ala voajanahary arovana. Olana goavana ho an’ny fanjakana ny tsy fananana fitaovana famonoana afo eo anatrehan’ireo fandorana tanety sy ala fa ny fokonolona no miezaka mamono ny afo hany ka tsy maty izany raha tsy andro maromaro. Manampy trotraka ny tsy fandriam-pahalemana ka amin’ny alalan’ny fandorana ny tanety no ataon’izy ireo  mba tsy afahan’ny mpitandro filaminana sy ireo mpanara-dia manaraka ireo olon-dratsy.

Tombony ho an’ny firenena toa an’i Madagasikara ny habetsahan’ny mponina monina sy mivelona any ambanivohitra satria izy ireo no akaiky an’ireny ala arovana ireny, mamboly sy manajary ireo tanety izay tokony tsy ho dorana, ary miaro ireo toerana mando toy ny tanimbary, tanim-boly,….mba tsy ho totofana . Tokony tsy avela amin’ny tetikasa vatsian’ny avy any ivelany vola fotsiny ihany ny fiarovana ny tontolo iainana fa ilana tosika avy amin’ny fanjakana  ihany koa ireo 81 isanjaton’ny malagasy any ambanivohitra ireo mba tsy hisy intsony ny zava-doza manimba ny tontolo iainana.

Nirina R.

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici