FARITRA VAKINANKARATRA: Nandefa sary miaina momba ny “agro-écologie”

0
582

Ny mpianatra indray no hanoro ny ray aman-dreny. Mpianatra miisa 300 no nijery ny sary miaina amin’ny endriny 3D, mitondra ny lohateny hoe: “ny fambolena maharitra ho an’ny taranaka mifandimby”, ny 05 novambra 2020 tao amin’ny tranom-pokonolona Antsirabe I. Hetsika andiany voalohany nokarakarain’ny faritra Vakinankaratra niaraka tamin’ny GSDM, matihanina amin’ny “agro-écologie” na ny fomba fambolena maharitra ary ny sampandraharahan’ny tontolo iainana eo anivon’ny faritra izy ity. Ny GSDM no namokatra ny sary miaina ho isany fitaovana iray ampianarana ny ankizy izany fomba fambolena maharitra izany ka izy ireo indray no mampita ny fahaizana azony amin’ny ray aman-dreny (éducation à l’inverse).

Nambaran’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Vakinankaratra, Rakotoarimanana Heriniaina fa ny fandefasana ity sary miaina momba ny fambolena maharitra ity dia dingana iray ahafahan’ny mpianatra mampianatra sy manabe ny ray aman-dreniny, manoro lalana azy na ny fampahafantarana azy: manao ahoana ny fiantrainkany ny fanimbana ny tontolo iainana? Ahoana no fomba hanavotana azy indray? Inona ny fomba hanarenana azy? Araka ny fanazavany hatrany dia ho aparitaka isaky ny sekoly eto amin’ny faritra io horonantsary miaina io mba  ahafahan’ny ankizy rehetra mahita izany. Marihina fa teknika mahomby iatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, iarovana ny tontolo iainana fa indrindra hampitomboana ny taham-pamokarana ny “agro-écologie”.

Lynda A.

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici