FAPBM: Miantoka ny fisian’ny rano mandavan-taona ny faritra mando

0
455

Ny maha zava-dehibe ny faritra mando, indrindra eto Madagasikara. Notontosaina ny 31 janoary 2020 teny amin’ny parc  Tsarasaotra Alarobia ny fankalazana  ny andro iraisam-pirenena ny faritra mando. Isan-taona, mandray anjara mavitrika amin’ireo hetsika entina hanamarihana izany ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar) satria fotoana iray ahafahana manaitra ny sain’ny fitondram-panjakana, ny sehatra tsy miankina fa indrindra ny olom-pirenena ny  tombontsoa sy olana mianjady amin’ny faritra mando eto amintsika.

Noho ny fahatsapan’ny FAPBM fa maro ireo voka-dratsy ateraky ny fahasimban’ireo faritra mando, na eo amin’ny lafiny fahasahamihafan’ny zava-manan’aina (biodivéristé) na eo amin’ny fiainan-dRazanakolombelona dia  faritra arovana enin, ao anatin’ny lisitry ny Ramsar, no mahazo famatsiam-bola avy amin’ny fondation ho fiarovana azy ireo. Ireto avy ireo faritra mpahazo tombontsoa: Antrema, eo ambany fitantanan’ny “Museum d’Histoire Naturelle de Madagascar”; Tsimanampetsotse sy Kirindy Mite, an’ny Madagascar National Parks;  ny Complexe Mahavavy Kinkony, an’ny Asity Madagascar  ary Tsimembo Manambolomaty sy Mandrozo,  an’ny The Peregrine Fund. Raha ny fantatra, manana faritra mando 20 eo ny firenena Malagasy.

Mitàna andraikitra lehibe amin’ny zavaboahary ny faritra mando. Araka ny fanazavan’ny fondation fa miantoka ny fisian’ny rano mandavan-taona izy ity. Ankoatra izany, fototra iray amin’ny famatsiana sakafo ihany koa satria andry iankinan’ny fambolem-bary, fiompiana trondro sy ny maro hafa. Ary ny tena zava-dehibe indrindra  dia anisany miaro ireo biodiversité tsy manam-paharoa eto amintsika.

Nirina R.

Horonan-tsary

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici