Mifampiankina tanteraka ny fizahan-tany sy ny zava-boary. Ny fisian’ny zava-boary mampiavaka ny ny firenena no tena mandrisika ny mpizahan-tany hitsidika ireny faritra arovana na valan-java-boary ireny. Raha tsy misy fiarovana ireo zava-boary na zava-maniry na biby dia ho marefo ny sehatry ny fizahan-tany izay anisany mampidi-bola betsaka ho an’ny firenena. Izany indrindra no nahatonga ny FAPBM na “Fondation pour les Aires Protegées et la Biodiversité de Madagascar” manohana ara-bola ireo faritra arovana 41 amin’ny 123 eto Madagasikara. Nambaran’ny Tale Mpanatanteraky ny FAPBM, Gérard RAMBELOARISOA fa ny fiarovana maharitra ny zava-boary no hampaharitra ny tontolon’ny fizahan-tany eto Madagasikara. Mpiantsehatra maro no migoaka ny tombontsoan’izany ka raha lany tamingana ireo zava-boary mahasarika mpizahan-tany ireo dia sehatra maro ihany koa no miaraka fatiantoka.
Mifandraika indrindra amin’ny lohahevitra noraisina ho an’ny fankalazana ny andro irsaim-pirenena ny zava-boary ny antom-pisian’ny FAPBM. Mandray anjara amin’ny hetsika fankalazana ny alatsinainy 22 mai 2017 ity farany. Ao anatiny fankalzana hatrany, mpiantsehatra miasa manodidna ny fizahan-tany sy ny fiarovana zava-boary no hampiranty ny momba azy ireo eny amin’ny zaridaina Antaninarenina ny sabotsy 20 may ho avy izao. Ao anatin’izany ny FAPBM.
Tanjon’ny FAPBM ny fisintonana ny mpizahan-tany. Rehefa voaaro tsara ireo zava-boary dia mihodina foana ny sehatry ny fizahan-tany ary mampiakatra ari-karena Izany indrindra no mahatonga ny famatsiam-bola ho an’ireo faritra arovana tsy tapaka.
12 taona nanampiana tamin’ny fiarovana ny faritra arovana sy ny zava-boary, efa tafakatra renivola 70 tapitrisa dolara ny renivola ampiasain’ny FAPBM.
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
VIDEO :