FAPBM: Faritra arovana 36 nahazo famatsiam-bola.

0
249

Fandoavana ny karaman’ny mpiasa, fampandehanana ny raharaha amin’ny  faritra arovana  no antony fanampiana ataon’ny FAPBM na “Fondation pour les aires protégées  et la biodiversité de Madagascar”. Miantoka ny fiarovana sy fanomezana lanja ny faritra arovana mantsy ireo mpiasa sy mpitantana. Vola mitentina dimy miliara Ariary mahery eo no omen’ity fikambanana miahy ny faritra arovana sy ny tontolo iainana eto Madagasiakra ity. Mpitantana amin’ny toerana manan-karena zava-boahary miisa 36 no hisitraka  izany amin’ny taona 2017.

Notanterahina omaly faha-16 ny volana desambra 2016 ny fifanaovan-tsonia ho an’ny famatsiam-bola amin’ny taona ho avy,  eo amin’ny FAPBM  sy  ireo mpitantana faritra arovana

“Arakaraka ny tsindry, ny habe, ny laharam-pamehana ao amin’ilay faritra arovana ny vola omena ireo mpitantana”, hoy ny Tale Mpanatanteraky ny FAPBM, Gérard RAMBELOARISOA. Nanamafy ihany koa ny tenany fa famatsiam-bola maharitra no ataon’ny fikambanana satria tsy voafaritra ny fem-potoana hifaranan’ny tetikasa. Entina hiarovana ny zava-boahary eto Madagasikara mba hitondra  fampandrosoana ho an’ny firenena no laharam-pamehana.

Interview : Gérard RAMBELOARISOA

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

[embedyt] http://www.youtube.com/watch?v=xxZyuoYO2Nw[/embedyt]

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici