FANONDRANANA SOKATRA ANTSOKOSOKO : Mangataka ny ampiharana ny lalana ny Alliance Voahary Gasy.

0
364

Efa betsaka ny sokatra saika haondrana any ivelany no tratra kanefa tsy mbola nisy tratra ireo atidoha nikotrika izany. Misy raharaha telo samihafa mikasika ireo olona tratra nivarotra sy mpanondrana antsokosoko ireo sokatra no hiatrika fitsarana . Raha ny fantatra, hisy ny fitsarana anio amin’ny 8 ora maraina eny amin’ny tribonaly Anosy, efitrano faha 2 mikasika ny olona mivarotra sokatra eto an-toerana. Amin’ny 8 Novambra 2016 kosa ny raharaha faharoa no ho tsaraina izay manondrana izany any amin’ny firenena aziatika sy mivarotra izany ao amin’ny facebook, hoy i Annie RAJERISON mpahay lalana ao amin’ny .

 Ny sazy mety ho azon’ny olona manao izany asa ratsy izany, figadrana enim-bolana ka hatramin’ny 2 taona sy onitra 10.000.000 Ariary ka hatramin’ny 50.000.000 Ariary ho an’ny olona mivarotra sokatra eto an-toerana.  Raha ho an’ny mpanondrana kosa, mandoa onitra 100.000.000 Ariary ka hatramin’ny 200.000.000 Ariary sady migadra 2 taona ka hatramin’ny 10 taona, hoy hatrany ity mpahay lalana ity. Noho izany, mangataka ny fitsarana handray fepetra hentitra ho an’ireo mivarotra sy mpanondrana antsokosoko ny AVG  ( Alliance Voahary Gasy ) amin’ny alalan’ny tetikasa ALARM ( Application de la Loi contre les Abus sur les Ressources à Madagascar ) mba ho anatra ho an’ireo izay mbola minia manao izany fanondranana sokatra izany ka hijanonan’izany asa ratsy izany. Ezaka ataon’izy ireo ny hanaramaso ireo olona tratra ireo nanomboka tamin’ny fisamborana, ny fitsarana ka hatrany amin’ny fidirany am-ponja.Tanjona amin’izany ny tena ho fampiharana ny lalana, hoy ny filohan’ny AVG, Ndrato RAZAKAMANALINA.

Talohan’izao, efa ny vehivavy iray voasambotra tany Andranomena tratra nitondra sokatra radiata 227 ny 28 septambra 2016 lasa teo. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olon-tsotra, ny tetikasa ALARM ny ministeran’ny tontolo iainana, ny ministeran’ny fitsarana sy ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ary ny Sekreterampanjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena.

Marihana fa arovana ny sokatra noho izy ireo biby arovana sy atahorana ho lany tamingana.

Interview : Ndrato RAZAKAMANALINA

 

Interview : Annie RAJERISON

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici