FANONDRANANA SOKATRA ANTSOKOSOKO : Afa-po amin’ny fampiharana lalana ny Alliance Voahary Gasy.

0
177
Spread the love

Noporofoin’ny fitsarana Malagasy fa afaka mampihatra ny lalana tsara izy ireo raha ny mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo sokatra. Noho izany, afa-po amin’ny didy navoakan’ny fitsarana ny AVG ( Alliance Voahary Gasy ) tamin’ny raharaha nahatrarana sokatra tetsy Antaninarenina ny 22 septambra 2016 lasa teo. Ny 15 Novambra 2016 no nivoaka izany didy izany izay nanameloka ny tomponantoka higadra an-trano maizina roa taona sy tapany ary mandoa vola 200.000.000 Ariary. Tapa-bolana taorian’io, nisy ihany koa  olona voaheloka higadra an-trano maizina mahakasika ireo olona roa tao Andranomena. Ny iray, migadra iray taona sy tapany an-trano maizina ary ny namany kosa iray taona.

Tao anatin’ny 3 volana nisian’ny tetikasa ALARM, sokatra 1000 no efa tratran’ny AVG raha ny nambaran’ny filohany Ndranto RAZAKAMANARINA. Nahatsapa ihany koa izy ireo fa efa manomboka mihemotra ireo manao izany asa fanondranana tsy ara-dalana ireo sokatra ireo izany.

Marihana fa amin’ny herinandro ho avy io no hanatanterahana ny fitsarana any Ambovombe ireo olona tratra nitondra sokatra 600 tany Toliara.

Ankoatra izay, mirongatra indray ny fitrandrahan’ny olona ny safira ao amin’ny alan’i Didy amin’izao fotoana izao raha ny nambaran’ny AVG hatrany. Mahatsapa izy ireo fa tsy voafehy intsony ireo mpitrandraka harena voajanahary amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Andro vitsivitsy lasa izay tany Ambovombe , nahatratraran’ny lehiben’ny faritra  sinoa nitrandraka “corail noir”.

Interview : Ndranto RAZAKAMANARINA

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

VIDEO :

Fitrandrahana ao Didy

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici