“Hitondra fampandrosoana ara-toekarena sehatry fambolena sy ny fiompiana”. Mifanaraka amin’io tanjon’ny “Foire Internationale de l’Agriculture ” io ny an’ny vondron’orinasa Eclosia. Anisany mpandray anjara amin’ity hetsika andiany voalohany ity, eny amin’ny Zone Forello Tanjombato ireo orinasa mpamokatra akora ilaina amin’ny fambolena sy ny fiompiana. «Mandritra ny hetsika izay nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy ny alahady 17 septambra 2017, ampahafantarinay amin’ny mpitsidika ny vokatra vokarin’ny ny orinasa LFL, AVITECH, ECM ary ny FARMSHOP izay ao anatin’ny vondrona Eclosia », hoy i Mirana RATOVOARINTSOA, tomponandraikitry ny varotra.
Ankoatra ny famatsiana ireo akora entina hampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana, manampy ny fiarahamonina hahaleo tena amin’ny fitantanana ny fiompiany ary hanana fidiram-bolana fanampiny ireo orinasa ireo. Nanomboka tamin’ity taona 2017 ity ny tetikasa fanomezana zanak’akoho nataon’ny vondrona Eclosia.
Azo jifaina manerana ny tranom-pivarotana Farmshop miisa 70 ireo vokatra vokarin’ny LFL toy ny provandy ho an’ny akoho amam-borona, kisoa ; ny zanak’akoho ho an’ny AVITECH.
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
VIDEO :
http://www.youtube.com/watch?v=Od0rgE5IYR4