Voasokajy ao anatin’ny lisitry ny biby tandindomin-doza an’ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny natiora (UICN) ny sokatra an- dranomamy « Rere » izay ny Nosy Malagasy ihany no manana azy. Noho izany, anisan’ireo biby arovan’ny lalana eto Madagasikara izy ity. Etsy ankilany anefa tafiditra ao anatin’ny lisitr’ireo biby azo ahondrana, an’ny CITES ny Rere ka afaka manondrana eo amin’ny 25 sokatra isan-taona eo i Madagasikara.
Ho fiarovana ity sokatra ity tsy ho lany tamingana, fandaharan’asa maro no natao ka niara-niasa tamin’ ireo mponina manodidina ny faritra ahitana azy ity ny Durrell Wildlife Conservation Trust. Ao anatin’izany ny vala-java-boahary Ankarafantsika, ny farihy Ambondrobe, Begogo-Mahombe (Tsiribihina). Teo ihany koa ny fiompiana ny Rere mba hampitomboana ny taranany.
Ho fanamafisana ny fiarovana ny Erymnochelys madagascariencis, nampivory ireo mpiantsehatra rehetra afaka miandraikitra izany niaraka tamin’ny Ministera misahana ny tontolo iainana ny Durrell Wildlife Conservation Trust. Ny alarobia 24 May 2017, nanatanteraka atrik’asa izy ireo ho famolavolana paika ady nasionaly hiarovana ny sokatra an-dranomamy Rere.
Nirina RAKOTOMIARINTSOA