DOUNIA FOREST LODGE: Manamora ny fitsidihana ny valan-javaboary Masoala.

10
354

Niampy iray indray ny toerana handraisana ireo mpizahatany hitsidika ny valan-javaboary Nasionaly Masoala, amin’iny faritra Analajirofo iny. Ho fanatsarana ny tontolo fizahan-tany no anisan’ny antom-pisiany. Manamorona ny ranomasina misy ny valan-javaboary Masoala izay azo antsoina hoe: Lohatrozona, kaominina Maroantsetra no ahitana ny Dounia Forest Lodge. “Tsy dia vaovao ihany ity hotely ity raha ny taona niorenany no jerena satria efa tamin’ny taona 2012 no efa nanomboka nandray ireo mpizahatany ny Dounia Forest Lodge”, hoy Rado RAMBOALIMANANA, Talen’ny Dounia Forest Lodge.

Niezaka nampivoatra ny kalitaon’ny fandraisam-bahiny  ny mpitantana ity farany ka manana bungalows miisa 12 izy ireo ankehitriny izay mahazaka olona eo amin’ny 48 eo. Ankoatra izany, manana “vedettes” efatra ihany koa ity hotely ity  ho fitaterana ireo vahiny fa indrindra amin’ny fitsidihana ny valan-javaboarin’i Masoala sy/na ny Nosy Mangabe ary mety ho tonga hatrany Farankairana.

Na dia toerana mahafinaritra, feno ireo karazam-biby sy zava-maniry tsy dia fahita raha tsy eto amintsika aza  i Masoala, sarotra aleha raha eo amin’ny lalana no horesahana. Tonga amin’ny alalan’ny fiara tsy mataho-dalana ihany izy fa rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza dia tsy azo andehanana. Azo atao tsara anefa ny manjohy azy amin’ny alalan’ny fiaramanidina.

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 22 febroary teo tao amin’ny “Hôtel Colbert” ny fisian’ity  toerana azo handraisana ireo mpizahatany amin’iny faritra Avaratra Andrefana iny.

Interview: Rado RAMBOALIMANANA

 

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

10 COMMENTS

LEAVE A REPLY

Please enter your comment!
Please enter your name here