CONSERVATION INTERNATIONAL : Tanjona ny isian’ny tambajotra ho an’ny mpanao gazety manao fanadihadiana lalina.

14
118
Spread the love

Nanomboka androany ny fanofanana ireo mpanao gazety hanao fanadihadiana lalina manoloana ny  fanimbana ny tontolo iainana izay miasa aty amin’ny corridor Ankeniheny Zahamena. Ao anatin’ny tetikasa ESCAPES ity fanofanana ato eto Moramanga ity. Tanjona amin’izany  ny isian’ny tambajotra ho an’ny mpanao gazety manao fanadihadiana lalina na «journaliste d’investigation » mba fanamafisana amin’ny fahaiza-manao ny vahoaka malagasy afahany mandray anjara ny ady atao amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalana sy fanondranana antsokosoko ireo harena voajanahary, hoy Michelle ANDRIANARISATA . Hiaraha-mahalala ny tsy fisian’ny fiarovana ho azy ireo ka fomba iray ny hisian’izany tambajotra izany.

Marihana fa ny USAID no mamatsy vola io tetikasa io ka iarahany miasa amin’ny WWF,TRAFFIC International,  Wildwife Conservation Society ( WCS ) ary ny Conservation internatonal ( C.I ). Mandritra ny 4 andro ny fiofanana ny 22 ka hatramin’ny 25 Martsa ho avy izao ka 21 ireo mpanao gazety manao izany.

Interview : Michelle ANDRIANARISATA

Nirina RAKOTOMIARINTSOA

14 Commentaires

  1. Raha tsy misy ny tatanan-droalela (hypocrisie) fa tena hitrandraka ny asa mkaroka ny ankolafin-draharaha irosoana dia arahaba soa arahaba tsara. Eo izany isika izao ? Eny é, sarotra ny hikaroka ny hoe ahoana iny ?///

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici