Ny fampiharana ny lalana ihany no vahaolana mamongotra ny fitrandrahana ny herana voajanahary antsokosoko sy ny fiarovana azy. Anisan’ny fanamby apetraky ny firaisamonim-pirenena misahana ny fiarovana tontolo iainana CNPE « Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental » izany. “Mbola miady irery ny firaisamonim-pirenena miaro ny harena voajanahary vokatry ny tsy fampiharana ny lalana sy ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitry ny fanjakana”, hoy Nalimanitra RAVOSON , Mpandrindra rejionaly.
Vovona mampivondrona ireo mpiantsehatra rehetra, manerana ny Nosy, miaro ny tontolo iainana ny « Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental ». Manao ady sisika na « Plaidoyer » no tena andraikitra sahan’ity farany ary miara-miasa amin’ny Vondrona Olona Ifotony izy ireo.
Ho fanamafisana ny fahaiza-manao ny mpikambana dia nanatanteraka atrika asa nandritra ny dimy andro ny CNPE. Novolavolaina tamin’izany ihany koa ny drafitra asa ho entina manatanteraka ny andraikitry ny vovona.
Marihina fa fikambanana 34 no mivondrona ao anatin’ny CNPE.
Interview : Nalimanitra RAVOSON
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Tolotra Nambinina Rakotondrabe liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.
Abdoulah Mall liked this on Facebook.
Volahanta Rakotonoely liked this on Facebook.