FAHAMAIZANA ANY AUSTRALIA : Biby 500 tapitrisa no maty

0
696

Mandravarava ireo ala sy izay monina ao anatiny ny afo. Tsy ny firenena Australiana ihany no voa mafy amin’io fahamaizana io fa izao tontolo izao satria mihena indray ny ala tokony hisintona ny etona mangeja hafanana na « gaz à effet de serre ». Noho izany tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fiovan’ny toetr’andro.  Mavesatra ny voka-dratsy naterak’izao afo izao. Velaran-tany dimy tapitrisa hektara no tratran’ny afo. Tafakatra 50 °C ny hafanana any ambanivohitr’i Sidney.

Valan-java-boary maro no kilan’ny afo. May tanteraka ny valan-java-boarin’ny  Flinders Chase misy ireo kangoro sy koala. Eo amin’ny 5.000 koala ka hatramin’ny 9.000 no maty amin’izao fahamaizana izao. Manodidina ny  500 tapitrisa ireo biby  no  maty. May ny 50 %  ny velaran’ny tendrombohitra  « Montagnes bleues » izay vakoka iraisam-pirenena (Unesco) .  Eo ihany koa ny fahamaizan’ny valan-java-boary Nightcap misy ireo biby madinika karazany 30 tsy hita raha tsy ao ihany. Tsy voafehin’ny mpamonjy voina ny afo any Australia. Mihoatra ny 100.000 ireo mponina no nafindra toerana ary trano 1500  no may.

Niantso ireo miaramila fiandry 3000 ny praiministra Australiana, Scott Morrison hanampy ireo mpamonjy voina amin’ny famonoana ny afo.

Nirina R.

  •  
  •  
  •  
  •  
  •  
  •   
  •   
  •   
  •  

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici