BAOBAB ETO MADAGASIKARA : Sehatra azo ampiharana ny « economie blue »

0
66
Spread the love

Tandidomin-doza . Raha valo ny karazana baobab manerana an’izao tontolo izao dia ny fito amin’ireo eto Madagasikara, ny enina amin’ ireo dia tsy hita afa-tsy eto amintsika ary ny telo hita ao amin’ny faritra Menabe.  Nambaran’ny filoha mpanorina ny  « groupe des spécialistes et passionnés des baobabs de Madagascar » na GSPBM, Ravaomanalina Harisoa fa simba tanteraka  ny tontolo iainana misy ireo baobab, indrindra fa ny faritra Menabe. May ny doron-tanety izy ireo ary eo ihany koa ny loza voajanahary toy ny rivo-doza . Azo lazaina anefa fa sehatra iray azo ampiharana ny « économie bleu » ny baobab satria azo ampiasaina daholo ny voany na ny hodiny. Aman-taonina ny voana baobab ahondrana  any ivelany ka anisany hangalana izany ny baobab « grandidieri » ao amin’ny allée des baobabs Menabe. Raha ny fanazavany dia ny laboratoara frantsay no tena mandray azy ity hanaovana « produits cosmétiques ». Noho ireo tsindry ireo no nanosika ny GSPBM  sy ny Madagasikara Voakajy nikarakara ny kongresy iraisampirenena ho an’ny baobab. Ny 11 ka hatramin’ny 13 desambra 2019 any Morondava, faritra Menabe no hanatantrahina izany.

Raha ny fantatra dia mpikaroka fanta-daza iraisampirenena, mijery manokana ny taonan’ny baobab manerana an’izao tontolo indrindra ny eto Madagasikara no hanatrika ity kongresy ity ary hanao famelabelaran-kevitra momba ny baobab. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny sehatry ny fihazantany sy ara-toekarena ny baobab ka mandritra ny telo andro dia hifampidinika ireo mpisehatra toy ny mpandraharaha ara-toekarena avy amin’ny orinasa mpanondrana na mpanodina ny voana baobab, ireo mpandraharaha  amin’ny sehatry ny fizahantany. Hivoitra ao anatin’ny kongresy ihany koa ny fametrahana paikadim-piarovana, ahafahana mitrandraka azy ho lovainjafy, hiarovana ny tontolo manodidina azy satria  misy ireo zava-maniry miaraka aminy  sy biby kely miantoka ny fahamaroan’ny taranany. Nambaran-dRamatoa Ravaomanalina Harisoa fa horesahana amin’ny andro fahatelo ny zava-maniry mifanaraka amin’ny baobab ao Menabe ary ho averina ho volena izany. Efa misy ny tanin-janankazo izay efa ela no nikarakarana azy.
Ho lasa tantara sisa ny baobab eto amintsika raha tsy misy ny fandraisana andraikitra dieny izao. Raha ny fikarohana dia efa arivo ny taona ny ankamaroan’izy ireo ka na rivo-doza  aza dia mety handringana azy.

Nirina R.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici