AVG: Fanondranana andramena, tsy misy ny fampiharana ny lalàna ho an’ireo olona mambotry ny harem-pirenena.

0
63
Spread the love

Vola fitoko tsy forohana no tsy hita popoka, vokatry ny fanondranana an-tsokosoko ireo harem-pirenena amin’ny hazo sarobidy, hoy  ny AVG na ny Alliance Voahary Gasy. Misy tambazotra efa maty paika, ahitana olona ambony ao ambadik’izany, hoy hatrany izy ireo. Nanomboka ny taona 2005-2006-2009 hatramin’izao no tena nisian’izany. Tamin’ity taona ity dia nisy ny sambo miisa efatra saika hanondrana andramena, efa tratra tokony ho nogiazina kanefa mbola miasa ihany amin’izao. Any amin’ny faritra Mananara avaratra iny no tena ahitana tranga maro momba an’io. Entina mankany Antalaha mizotra mankany Diégo sy Antsohihy izany ary eo no handefasana azy mankany Afrika. Nisy mihitsy aza ireo efa tany ivelany no tratra kanefa tsy nisy tohiny intsony ny momba izany fa nanjavona tsikelikely dia lasa nilamina ho azy. Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ireo olona nambotry ny harem-pirenena ny AVG. Mila hamafisina ihany koa ny fiarovana ireo alan-java-boahary eto amintsika miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena, mba ho to-teny sy sahy hijoro eny anivon’ny fitsarana izy ireny. Ny taona 2014 dia vola mitentina hatrany amin’ny 700 tapitrisa dolara no very vokatr’izany. Tokony ho fantatry ny olona rehetra ireo olona manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Omaly no nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny DLC Anosy, mikasika ny zava-bitany nandritra ny herin-taona ny fikambanana AVG.

INTERVIEW: Andry ANDRIAMANGA

 

Nirina R.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici