Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly 22 Janoary ny taom-pambolen-kazo tany amin’ny faritra Vakinankaratra. Tao amin’ny kaominina Ampitatafika distrikan’Antanifotsy no nanaovana izany ka tonga nanatrika ireo manampahefana any amin’iny faritra iny, toy ny ben’ny tanana Ampitatafika, solon-tenan’ny distrika, ny solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe II, ny APPAM na « Association Professionnelle du Secteur Pétrolier Amont de Madagascar ».
Nambaran’ny filohan’ny fikambanana APPAM, Marcelle DANE fa andraikitra ny fanatsarana ny tontolo iainana ary sarotiny amin’izany izy ireo. Iaraha-mahalala ny fahasimban’ny toetrandro ankehitriny ka ilaina noho izany ny fambolena hazo. Efa miha-kely izany eto Madagasikara satria 90% ireo hazo no efa nampiasain’ny mponina. Tsy hijanona hatreo anefa ny hetsika fa hanao toeram-pitsangatsanganana na « parc de loisir » eo amin’io toerana io ihany koa izy ireo. Eo ihany koa ny fambolena ireo hazo sarobidy, hoy izy.
Nomarihany fa vola mitentina 16.000.000 Ariary no nolanian’ny APPAM, hoy hatrany izy.
Ankoatra izay,efa dimy taona no nisian’ny fikambanan’ireo mpitrandraka solika ireo na ny APPAM ary 190 izy ireo.
Interview : Marcelle DANE
Nirina RAKOTOMIARINTSOA
Abdoulah Mall liked this on Facebook.
Nirina Lalao Claude liked this on Facebook.
Sylvia Ranaivojaona liked this on Facebook.
Evanne Mahatolotra liked this on Facebook.
Richard Raoilison liked this on Facebook.
Rajaonary Andriamalala liked this on Facebook.
Jeremie Parson liked this on Facebook.
E-Railyse Arto Jr. liked this on Facebook.
Arima Rose liked this on Facebook.
Tsara fa tohizo fa mba hamboleo hazo koa avaradrano sy antsimondrana fa tena ngazajabe ! Indrindra zay tany mpanjakana rehetra !
Riri Solonirina Ranaivojaona liked this on Facebook.
Lynda Andriatsitonta liked this on Facebook.